Jiolahy roa lahy tompon’antoka amin’ny fanafihana lavon’ny balan’ny polisy tao Anosibe, ny 21 desambra teo. Nikasa hanafika Cash point ireto olon-dratsy ireto no narahin’ny mpitandro filaminana avy eo anivon’ny Sag. Dimy lahy nitam-piadiana, nitifitra ny polisy hisambotra azy ireo olon-dratsy. Vokany, lavo ny roa tamin’ireo mpandroba. Tafaporitsaka ny telo lahy […]
Taratra
Vaky kodiarana: Taksiborosy nivadika, olona iray maty
Nitrangana lozam-piarakodia namoizana ain’olona indray tao Ambavahaditany, fokontany Antanimbary, kaominina ambanivohitra sy distrikan’i Maevatanàna, ny sabotsy tolakandro tamin’ny 1ora sy 30 mn. Taksiborosy Sprinter miasa ao amina kaoperativa iray eny Ambodivona no nivadika tampoka vokatry ny fandehanana mafy. Niala teto an-dRenivohitra hihazo an’i Mahajanga ity taksiborosy ity. Vaky tampoka teny […]
Tra-doza tetsy Ivandry : tsy maty fa manaraka fitsaboana ilay lasibatra
Ho fanitsiana ny vaovao nivoaka tamin’ny gazety Taratra, laharana faha-6284, pejy faharoa, ny zoma 20 desambra lasa teo, tsy maty sady tsy niparitaka loha, ilay lehilahy tra-doza nitondra moto teny Ivandry, ny alarobia 18 desambra lasa teo. Tsy nahatsiaro tena teo no ho eo. Nezahin’ireo nanatri-maso nentina teny anivon’ny toeram-pitsaboana […]
Kaominina Andranonahoatra: Zaza 5 taona maty kilan’ny afo
May niaraka tamin’ny trano fonenany, zazavavy 5 taona namoy ny ainy tao Ambaniala, kaominina Andranonahoatra, ny marain’ny zoma 20 desambra teo. Hotohoton’ny afo, zazavavy vao 5 taona maty tao Ampefiloha, fokontany Ambaniala, kaominina Andranonahoatra, ny marain’ny zoma lasa teo tamin’ny 4 ora. Niala tamin’ny 3 ora maraina tao an-trano ny […]
Judo – “Mada Vétérans” : Namiratra i Mamy, i Luc ary i Vestalys
Natao teny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, omaly, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, sokajy vétérans, taranja Judo. 24 ny mpikatroka nandray anjara izay nizara ho sokajy M1 hatramin’ny M7. Raha atao bango tokana ny valin’ny fifaninanana, tamin’ny alalan’ny Ippon avokoa ny ankamaroany nahazoan’ny mpikatroka ny fandresena. Anisan’ny tena nandrasana ny fiakarana tatami […]




