Taratra

Hivarotra jirofo : Lehilahy nahatrarana basy sy bala tsy ara-dalàna

Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra mpikaroka fandikan-dalàna ao amin’ny seranan-tsambo Toa­masina, ny 19 desambra 2024 tamin’ny 8 ora sy sasany alina, ny lehilahy iray nitondra basy. Nandritra ny fisavana teo amin’ny vavahady iray ao amin’ny seranan-tsambo no nahatrarana ity lehilahy iray 34 taona niaraka tamin’ny basy PA marika […]

Nifatratra tamin’ny taxi : Naratra mafy ilay mpitondra moto

Naratra mafy, nentina namonjy toeram-pitsaboana ilay mpitondra moto tra-doza tao Antsohihy, omaly tolakandro. Nikasa hanatitra olona, nandeha mafy ilay moto. Nalalaka rahateo ny lalana ka nanararaotra ny mpitondra azy. Tampoka, tsy nanampo ny fisetrasetran’io mpitondra moto io ny mpamilin’ny fiarakaretsaka. Nifanohi-dalana ny roa tonta. Tsy tafala intsony, nifatratra avy hatrany […]

Bevohoka telo volana :Tratra ilay ray nanolana an-janany vavy

Ankizivavy tsy ampy taona naolan’ny ray niteraka azy ka bevohoka telo volana, tetsy Sabotsy Namehana. Voasambotra ny nahavanon-doza, omaly. Nosamborin’ny mpitandro filaminana, omaly, ny raim-pianakaviana iray voatondro ho nanolana an-janany vavy teny Atsimon­tsena, kaominina Sabotsy Namehana. Tsy ampy taona io zanany vavy io. Miara-mitaiza ireo zanany anefa ity lehilahy ity […]

Karate-“Challenge du Sud Est” : Miaraka misalahy ny ligy telo

Hanomboka, anio, any Manakara, ny fifaninanana “Chal­lenge du Sud-Est”, taranja karate. Efa vonona tanteraka ny fandraisana ity fifaninanana ity izay hiarahan’ny ligy telo mikarakara dia ny ligin’i Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo Atsinanana. Fifanina­nana efa nanomboka omaly ary hitohy anio sy ny rahampitso. Araka ny efa nampahafantarina, ity no fifaninanana farany […]

SOMBIM-BAOVAO

Nametra-pialana tsy ho tale teknika nasionalin’ny taranja tenisy ambony latabatra Rakotoarisoa Tahiry, ny talata lasa teo. Mahagaga ny mpankafy ity fanapaha-kevitra ity, raha ny vokatra no jerena, nahavita nanome ny tsara indrindra avy aminy ity teknisianina ity, porofon’izany ny naha tompondakan’i Afrika an’i Madagasikara, tamin’ny lalao isan-tarika, izay natao tany […]