Taratra

SOMBIM-BAOVAO

Notontosaina ny alahady lasa teo, teny Am­bohidava, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Mada­gasikara, taranja fanamoriana Motocross MX1. Voahosotra ho tompondaka fanintelony, amin’ity taranja ity, i Mathias Plantive, raha toa ka faharoa, i Claudio Tida. Tsiahivina fa miisa sivy ny dingana natao teto Madagasikara, nandritra ity fifaninanana nasionaly ity. Mazava ny […]

“Pureplay Football League” : Mety hisy fanovana ny rafi-pifaninanana

Nanatanteraka fivoriana mahakasika ny tohin’ny fifaninanam-pirenena “Pureplay Football League (PFL)” ny fikambanan’ny klioba elita eto Madagasikara, CFEM, omaly, teny Andoharanofotsy. Araka ny loharanom-baovao iray, mety hisy ny fanovana ny rafi-pifaninanana amin’ity, ka hatambatra vondrona iray avokoa ireo klioba rehetra mpifaninana. Hisy ny fifandonana mandroso sy miverina amin’izany. Tsiahivina fa nisy […]

Escrime-« Mada 2024 » : Nisongadina ny ligin’i Vakinankaratra

Tontosa ny alatsinainy teo, teny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja escrime, ho an’ny taona 2024. Tsy mbola lefy laza aloha hatreto ny ligin’i Vakinankaratra izay nahazo ny fandresena be indrindra. Tsiahivina fa navitrika ireo ligy telo nandray anjara, nahitana an’Analamanga, Vakinankaratra ary Itasy. Nambaran’ny Tale teknika […]

Reharehan’i Madagasikara : nankasitrahana ny atleta mendrika

Sambany! Nomem-boninahitra manokana ireo atleta nahazo medaly teo amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena. Notolorana tambin-kasasarana izy 35 mianadahy nanandratra ny lazan’i Madagasikara. Notolorana mari-pankasitrahana sy vola ho tambin-kasasarana ny atleta 35 mianadahy, omaly, teny Iavoloha. Avy amin’ny taranjam-panatanjahantena miisa sivy izy ireo : tsipy kanetibe, fibatana fonjamby, lomano, échecs, fanabokonan-kozatra, kick-boxing, judo, ji-juitsu, […]

INDRAY MIJERY

15 mirahavavy niharan’ny herisetra, avy ao amin’ny faritra Diana, notoloran’ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa mari-piofanana sy fampitaovana momba ny zaitra avy amin’ny vadin’ny filohan’ny Repoblika rehefa avy niofana nandritra ny dimy andro. Niarahana tamin’ny Brigade féminine de proximité ao Antsiranana ny fiofanana. Tanjona ny ahafahan’izy ireo […]