Taratra

Governoran’ny faritra Analamanga : Ho avo 2 heny ny asa amin’io taona 2025 io

Nanazava ny governoran’ny faritra Analamanga, Ra­soa­maromaka Hery, fa hatao avo roa heny ny asa amin’io taona 2025 io. Betsaka ny ambim-bolan’ny faritra Ana­lamanga tsy nampiasaina tamin’ity taona ity ka hahafahana mampitombo ny asa miandry. Hanomboka ny volana janoary io ny asa hatao ary tsy hitsahatra mihitsy izany mandritra ny taona. […]

Tetikasa A-Viavy: Hiaro ny vehivavy mpanao gazety

Nampahafantatra ny tetikasa A-Viavy ny ONG Ilontsera, omaly, tetsy Amparibe. Tetikasa fiarovana ny vehivavy mpanao gazety mandritra ny fanatanterahany ny asany. Vokatry ny tombana nataon’ny Ilontsera mahakasika ny tsindry mahazo ny mpanao gazety, vehivavy, no namolavolana ny tetikasa. Anisan’izany ny fandrahonana sy ny herisetra ana habaka, ny herisetra ara-nofo ary […]

Fandraharahana sy fifanakalozana ara-barotra : Mampandroso ny toekarena ny fidirana ao amin’ny Ohada

Fikambanana mamolavola lalàna mifehy ny fandraharahana sy ny tontolon’ny fifanakalozana ara-barotra ary manampy ny firenena mpikambana amin’ny fampandrosoana ny toekareny ny Ohada. «Lalàna mamaly ny filan’ny mpandraharaha ara-toekarena nefa mitondra tombontsoa ho an’ny firenena koa», hoy ny sekretera maharitry ny Ohada, Pr Mayatta Ndiaye. Mana­tanteraka atrikasa hanamafisana fahaiza-manao amin’ny fanoratana […]

TARATRY ny KANTO

Tanterahina manomboka anio hatramin’ny 20 desambra izao ny hetsika “Patrimoine, Patrimonia­lisation, enjeux patrimoniaux ». Hetsika hanasongadinana sy hampahafantarana ny lanjan’ny vakoka eto Madagasikara. Ny Oniversiten’Antananarivo miaraka amin’ny IFM Analakely sy ireo mpiara-miombon’antoka maro no mikarakara izany. Fampirantiana, velakevitra ary valandresaka no handravaka ny fotoana. Nifarana ny taona Sehatra Bagasy 2024. Fantatra […]

Dian’ny mpanakanto: Hiroso lalina amin’ny mozika i Nast’em

Nasandratra Eric Manana, io no tena anaran’ity mpanakanto vao erotrerony, zanak’Ambohimandroson’Antsirabe ity. Taona 2021, nitrandraka sy nikirakira ny kanto momba ny hira sy mozika i Nast’em. Niatomboka tamin’ny mozika rap. Ankehitriny, tapa-kevitra ny hiroso lalina kokoa amin’ny fandalinana sy ny fizarana ny vokatry ny kanto ataony izy. Ankoatra ny fihirana, […]