Ny mpilalao daomy dia manana paikady fa ny famoahana vato vao eny am-pelantanan’ny mpifanandrina no ahafahana mamono azy. Mifanohitra amin’izany kosa nefa ny eo amin’ny fanatanjahantena. Tsy ahitam-bokatra ny fiovaovana matetika. Ekena fa ny ekipa tsy mamokatra mila ovaina saingy aza tia vao lava toy ny daomy. Amin’izao fotoana, mitaintaina […]
Taratra
“Médecine des sports et de dopage” : mila omena lanja eo anivon’ny federasiona
Tontosa ny zoma lasa teo, tetsy amin’ny Tometal Mahamasina, ny seminera rezionalin’ny ranomasimbe Indiana mahakasika ny “Médecine des sports et de dopage”. Mpiofana 25 teto Madagasikara sy 6 avy amin’ ny nosy rahavavy Kaomoro, Maorisy, Seychelles ary Mayotte no nanaraka ny fiofanana nandritra ny 5 andro. Manam-pahaizana iraisam-pirenena maro sy […]
Sombim-baovao
Maratra ka mety tsy afaka hiakatra kianja mandritra ny volana maro, i Rayan Ponti, Malagasy milaravinahitra ao amin’ny klioban’ny US Orleans France. Araka ny fikarohana natao, omaly, tapaka ny tongony an-kavia, nandritra ny lalao izay notontosaina ny zoma teo, rehefa nifandona tamin’ny ekipan’ny Nancy ny klioba misy azy. Mbola manaitra […]
Kid’s Star-Analamanga : nomena vahana ny taninketsan’ny basikety
Manome lanja hatrany ny taninketsan’ny basikety ny ligin’Analamanga, taranja basikety. Antony nikarakarana ilay fifaninanana “Kid’s Star” ny faran’ny herinandro teo, izay natao teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Fifaninanana natokana ho an’ny U10 hatramin’ny U12. Nambaran’ny filohan’ny ligy, Andriatsima Hery, fa hoavin’ny basikety rahatrizay ireo katitakely ireo ka mila omena sehatra. […]
Tsipy kanetibe – «Mondial 2025»: Tsy manao fifanintsanana intsony fa tafakatra avy hatrany i Madagasikara
Tafapetraka ao anatin’ny tontolon’ny tsipy kanetibe maneran-tany indray ny anaran’i Madagasikara. Ny Malagasy irery mantsy no firenena nitondra medaly roa nody tamin’ireo nifaninana tany Dijon France, nandritra ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany 2024 lasa teo. Tafaverina an-tanindrazana, ny sabotsy lasa teo, ny ekipam-pirenena malagasin’ny taranja tsipy kanetibe, sokajy lehilahy, avy […]




