Voatifitry ny zandary nandritra ny sakoroka ny dahalo raindahiny mpangalatra omby tao amin’ny fokontany Emalio, kaominina Ambatoabo, distrikan’i Taolagnaro, afakomaly. Naharay loharanom-baovao momba ny trangana halatra omby ny zandarimaria miasa ao Tanambao. Nidina an-kianja, tratra teo am-pandroasana omby i Herinay na i Varira. Dahalo raindahiny efa ikoizana amin’ny halatra omby […]
Taratra
Hasarotam-piaro : lehilahy notondraham-badiny rano mangotraka
Notondraham-badiny rano mangotraka ny tarehy sy ny vatan’ny lehilahy iray tao amin’ny kaominina Kalandy, distrikan’i Mandritsara, omaly. Nandritra ny fifampiresahan’izy roa, nangataka ny findain-dramatoa io rangahy vadiny io. Nanomboka nanda anefa ilay vehivavy. Nanohitra ny tsy fahatokisam-badiny azy izy. Tsy nanaiky, nikiry ary nanery an-dravehivavy hanome ny finday teny aminy […]
Hanatitra vidina akoho : Voaroba ny 20 tapitrisa Ar
Raim-pianakaviana iray no voaroba 20 tapitrisa Ar, omaly maraina, tany Toamasina. Teo am-pivoahana ny trano hanatitra io vola vidina akoho fakana nofo io izy no lasibatry ny jiolahy. Efa niantsona teo ivelan’ny tranony ny fiara mpanatitra akoho fakana nofo. Vita ny fampidinana ny entana rehetra ka nivoaka hanome vola 20 […]
Nifandona tamin’ny dahalo : Omby sivy tafaverin’ ny fokonolona
Nandositra avokoa ny dahalo nangalatr’omby tao amin’ny tanànan’Agnala, kaominina Ambahita, distrikan’i Bekily, ny alarobia 11 desambra teo. Navoakan’ireo olon-dratsy ny omby miisa sivy tao am-bala. Hitan’ny tompon’omby anefa ireo mpandroba. Nanao hazolava, nivoaka avokoa ny olona mipetraka amin’ny manodidina ny tranon’ny lasibatra. Nandositra nitondra ireo omby halatra ny dahalo. Nanara-dia […]
Tournoi de Noël Basikety: Nivoaka mpandresy ny Etamazaoro
Notontosaina tao amin’ny Kianja Bataillon Médical Ampahibe, ny 10 desambra 2024 teo, ny lalao famaranana taranja basikety, ao anatin’ny « Tournoi de Noël ». Nifanandrina tamin’izany ny tomponandraikitra ambony sy sokajy mifangaro eo anivon’ny Foloalindahy. Ny lalao famaranana voalohany, nihaonan’ny ekipan’ny Etamazaoron’ireo Tafika sy ny Etamazaoron’ny Tafika ana habakabaka. Nivoaka mpandresy tamin’ity […]




