Anisan’ny fifidianana tena manakaiky ny vahoaka ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina. Zava-dehibe, araka izany, ny fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena tsirairay mba hisian’ny fampandrosoana eny ifotony. “Olona manana vina sy afaka hampandroso ny tanàna no tokony hofidina”, hoy ny solombavambahoaka, Raholdina Naivo, voafidy tao amin’ny boriborintany fahadimy. Lohalaharana amin’izany ireo kandidà miara-miasa […]
Taratra
Miadana Fabien Privat : “Variana manaraka olona ny antoko politika eto amintsika”
Nahabe adihevitra tetsy sy teroa tato ho ato ny hoe mihavery hasina ny antoko politika, fa mahazo vahana ny tsy miankina. Nahoana? Maneho ny heviny ny tomponandraikitra amin’ny fanetsehana fiarahamonina sy olom-pirenena eo anivon’ny ONG Tolotsoa, i Miadana Fabien Privat. Dinidinika… Gazety Taratra (*): Ny fahitanao ny fizotran’ny fampielezan-kevitra amin’izao […]
TARATRY ny KANTO
Hitohy ao Paris ny hetsika fanomezam-boaninahitra sy fahatsiarovana an’i Ninie Donia. Hifamotoana ny sabotsy izao ireo mpanakanto sy ireo mpankafy ny mozika malagasy any an-toerana. Hitarika ny hetsika ireo mpitendrin’i Ninie Donia hatramin’izay, ampian’ny tarika Tsivahiny, Toto Mwandjani, Tearano, Blilo, Booshirany, Maurena, Shao Boana, Hazolahy, Anderson Jaojoby, Flavien Rotsaka, sns. […]
AFT Andavamamba: Maro no liana tamin’ny “L’Enfant et le tambour de nuit”
Tontosa omaly tolak’andro teny amin’ny Alliance Française d’Antananarivo (AFT) Andavamamba ny fampisehoana an-tsehatra ny “L’Enfant et le tambour de nuit”. Ny Compagnie Miangaly Theatre no nitondra izany. Seho an-tsehatra nahitana angano, teatra noravahina mozika no nentin’izy ireo nanome fahafahampo ny mpankafy azy tamin’izany. Nahaliana ny mpijery tokoa ny fampisehoana. Marihina […]
“Mozika an-dalambe” : hetsika hanampiana ireo sahirana
Ny zavakanto ho fanampiana ny mpiara-monina. Raikitra indray ny “Mozika an-dalambe”, ho an’ity taona ity. Hotontosaina ny sabotsy 14 desambra izao izany, manomboka amin’ ny 11 ora, eny Ampefiloha. Tsy miala amin’ny antom-pisiany hatramin’ny voalohany ny hetsika dia ny fampisehoana zavakanto, hanentanana izay malala-tanana mba hanome ho an’ireo tsy manana. […]




