Naratra vokatry ny herisetra nataon’ny mpiasa tao amina toeram-pandihizana iray eny Ambatonakanga ny teratany frantsay roa lahy sy Malagasy roa lahy, ny alin’ny sabotsy teo. Araka ny fijoroana vavolombelona nataon’izy ireo, niharan’ny fampihorohoroana ara-tsaina sy herisetra ara-batana ireto niharam-boina ireto. Ny mpiasa sady mpitantana tao amin’io toeram-pandihizana io ihany no […]
Taratra
Vokatry ny lonilony : lehilahy maty voakapa antsibe
Nokapain’ny olon-dratsy antsibe teo amin’ny tavany, simba tanteraka ary namoy ny ainy ny lehilahy iray mpivarotra amina tranombarotra tao amin’ny fokontany Ivoloina, kaominina Antetezambaro, kaominina Toamasiana II, ny sabotsy 23 novambra lasa teo. Nihazo ny sahany io lehilahy io talohan’ny handehanany hivarotra. Narahin’ny tsy mataho-tody avy aoriana anefa izy. Tsy […]
Lehilahy nolerana zava-maranitra: atidohan’ilay vono olona ny rahalahiny
Tra-tehaky ny zandary ireo telo lahy ahina ho namono olona tao Mantasoa, tamin’ny zoma. Voalaza ho atidohan’ izany ny rahalahin’ilay lasibatra, izay mbola nihosin-dra ny tanany. Nahitan’ny mpitandro filaminana ra nihosona, afakomaly, ny tanan’ny lehilahy iray izay rahalahin’ny olona hita faty tao amin’ny fokontany Anjozoro, kaominina Mantasoa, distrikan’i Manjakandriana. Nitrangana […]
Lavon’ny aretina : nodimandry i Rira
Andro manjombona indray ho an’ny tontolon’ny zavakanto. Nodimandry ny sabotsy teo Randriatseheno Wilfried Gervais, fantatry ny maro amin’ny anarana hoe Rira “Baban’i Roukia”. Nolazoin’ny aretina efa elaela ihany izy, ka nampidirina hopitaly tany Mahajanga. Nihombo io aretiny io, ka voatery nampiakarina taty Antananarivo ity mpanakanto ity. Tsy nahatohitra izany anefa, […]
“Opération Bokiko”: Tia boky Andriampamaky
Tratra ny tanjona ho an’ny “Opération Bokiko”. Tia boky ny mponin’Andriampamaky, raha notarafina tamin’ny hetsika momba ny boky sy ny vakiboky notontosaina tany an-toerana, ny faran’ny herinandro lasa teo. Liana voalohany indrindra ireo ankizy mpianatra, izay sambany vao nanao atrikasa momba ny fanoratana. Natomboka tamin’ireo mpianatry ny kolejy ny atrikasa, […]




