Taratra

Rocade d’Iarivo Tratra ireo jiolahy nanendaka olona namonjy sasakalina

Niharan’ny fanendahana nataon’ny jiolahy teny amin’ny Rocade ny olona roa avy namonjy sasakalina teny amin’ny Père Pedro… Noraisim-potsiny! Olona roa avy namonjy sasakalina tao amin’ny Père Pedro hamonjy fodiana no nosakanan’ny jiolahy, teo amin’ny “Rocade d’Iarivo”, ny asabotsy teo. Jiolahy efatra no tompon’antoka tamin’izany, raha ny tatitra voaray avy amin’ny […]

Tsimbazaza: Polisy iray nahafaty renim-pianakaviana

Nitrangana lozam-pifamoivoizana tetsy Morarano, ny zoma lasa teo. Tra-doza tamin’izany ny renim-pianakaviana iray, 48 taona sy ny zanany raha izy mianaka niaraka handeha hiantsena iny. Voafaokana moto noentina polisy io vehivavy io ka naratra mafy, hoy ny loharanom-baovao iray. Nohamafisiny tamin’izany fa miasa eny Tsaralalana ilay voalaza ho nahavanon-doza. Nandritra […]

CUA-Fiadidiana ny Repoblika: malalaka ny fivarotana hatramin’ny 1 janoary

Nanapa-kevitra ny fiadidiana ny Repoblika sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra fa afaka mivarotra malalaka ireo mpivarotra ao anatin’izao andro fety izao. Voafetra hatramin’ny voalohan’ny volana janoary anefa izany fahalalana izany ho famerenana hatrany ny lamin’ny tanàna. Noraisina ny fanapahan-kevitra ho fitsinjovana manokana ireo mpivarotra amin’izao fetin’ny faran’ny taona maha betsaka […]

Lonilonim-pianakaviana: mpivady maty nokapaina antsibe

Maty nofirain’ny havany tamin’ny antsibe ireto mpivady avy any an-tsaha. Miady amin’ny fahafatesana kosa ny zanak’izy ireo vao 16 taona. Olona fito no voasambotra hatry ny omaly.   Vokatry ny ady tany, maty novonoin’ny zana-drahalahin-drainy ny mpivady tao Kiranomena, distrikan’i Fenoarivobe, faritra Bongolava ny zoma lasa teo. Nifanditra tamin’ireo havany […]

Toamasina: jiolahy 18 lavon’ny polisy

Tafakatra 18 ireo jiolahy matin’ny polisy ho an’ny tao an-drenivohitr’i Toamasina nandritra ny taona 2022. Nitrangana fanafihana nitam-piadiana ka nahaverezana vola mitentina 2 400 000 Ar sy moto roa tao Androranga, ny 22 desambra teo. Tsikaritry ny manodidina ireo olon-dratsy. Nanatona ny manam-pahefana nanao fitarainana koa ireo niharam-boina. Naharay loharanom-baovao avy tamina […]