Taratra

Minisitry ny Atitany: “Iray tapitrisa ireo efa nahazo karapanondro”

Nanao tombana ny efa vita amin’ny hetsika fizarana kopia faobe sy karapanondrom-pirenena ny eo anivon’ny minisiteran’ny Atitany. Nambaran’ny minisitra tamin’izany fa zo fototra ny fisitrahana izany. “Efa mahatratra any amin’ny iray tapitrisa ny olona na­hazo karapanondro amin’izao fotoana izao manerana ny Nosy noho ny hetsika goavana ataon’ny fitondram-panjakana”, hoy ny […]

Fomba fiasa sy fihetsika… : Hentitra amin’ireo mpitsara ny tonia ambony vaovao

Nanafatrafatra . Napetraka amin’ny toerany, omaly, tetsy Anosy ny tonia mpampanoa ambony vaovao eo anivon’ny fitsarana tampony, Rakoto­mandimby Benjamin Alexis. Mazava ny nambarany. “Aoka mba ho fantatry ny vahoaka malagasy ary ny any amin’ny faritra ny asa ato amin’ny fitsarana. Mba tsy ny hafa no hitsara ny asanareo, ka isika […]

Namono biby tsy nahafaty

Mizotra moramora ny raharaham-pirenena, ankehitriny. Manao ny asany an-tsakany sy andavany avokoa ny mpitondra mpanatanteraka sy ny mpanao lalàna. Eny fa na mpivangabao aza ny ankamaroan’ireto farany. Hatreto, tsy mbola mieritreritra ny handeha hiala sasatra ny eo anivon’ny governemanta. Tsy misy ny fanambarana ofisialy, mifandraika amin’izany. Mety tsy hisy mihitsy […]

Behoririka : teratany karana iray maty voatifitra

Voatafika ny teratany karana mivady, omaly, tetsy Behoririka. Maty voatifitra rangahy, maratra mafy ramatoa. Nirefodrefotra ny basy, omaly, tetsy Behori­rika. Lasibatry ny fanafihan-jiolahy ny mpivady teratany karana monina eny an-toerana. Voatifitra teo amin’ny tratrany ilay lehilahy raha naratra kosa ramatoa vadiny. Omaly atoandro tokony tamin’ny 01 ora teo, tonga tao […]

Mandritsara : nakatona ny kariera ao Sahatona

Taorian’ny raharaha na­fana tao amin’ny kariera ao Sahatona, kaominina Ando­ha­jango, herinandro vitsy lasa izay. Tapaka taorian’ny fivorian’ny OMC, afakomaly, fa hakatona ity karieram-bolamena ity. Araka izany, nomena 45 andro ireo olona rehetra ao an-toerana hiomana sy handao izany. Noraisi­na ity fepetra ity hisorohana ny korontana misesisesy izay miteraka tebiteby amin’ireo […]