Zanaka indray ity no mahafoy ray aman-dreny! Nampihoron-koditra ny fihetsika feno habibiana nataon’ny tovolahy iray tao amin’ny fokontany Basindrano, teo amin’ny sampanana Ambodisaina, ny sabotsy teo. Maty novonoiny tamin’ny fomba feno habibiana ny rainy, mpiasan’ny seranan-tsambo misotro ronono 72 taona, niteraka azy. Potika tanteraka ny lohany ka tsy nisy namantarana […]
Taratra
Andrefan’i Mananjara : jiolahy tratra teo am-pihomanana hanafika
Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahadimy (CSP5) Mahamasina, tao amin’ny fokontany Andrefan’i Mananjara, omaly, ireo jiolahy telo voarohirohy amina fanafihana mitam-piadiana. Teo am-panomanana hanao ny asa ratsiny ry zalahy no tonga tampoka ny polisy nisambotra azy ireo. Maro ny fitarainana voarain’ny polisy momba ny fisian’ireo jiolahy mpampihorohora […]
Nandeha nilalao dia tsy hita: novonoina, natao tanaty gony ny fatin’i Miley
Novonoina sy natao tanaty gony ny vatana mangatsiakan’i Miley, zazavavikely vao fito taona. Nilaza i Alista Rossina, raibeny fa nivoaka hilalao no nialany tao an-trano, afakomaly. Mangana ny fihirifany, ny hatony, ny kibony ary tapaka ny tanan’i Miley kely, zazavavy 7 taona, hita faty tao atsimon’ny Lycée Raherivelo Ramamonjy, fokontany […]
Olona iray maty : moto nifandona tamin’ny taxi-be
Moto iray nitondra olona roa no nifandona tamina taxi-be iray mampitohy an’Anosy sy Imerintsiatosika. Nampivarahantsona ny zava-nisy teny an-toerana. Satria, maty tsy tra-drano ny lehilahy iray nitondra ilay moto raha nipitika mihitsy ny tongotr’ilay tovovavy sakaizany nipetraka tao aoriany. Voalazan’ ireo olona nanatri-maso ny fitrangan’ny loza teny an-toerana, nandeha mafy […]
Fanotofana tany tsy ara-dalàna : hatsangana ny vondrona manokana miady amin’izany
Naaton’ny fanjakana ny fanotorana tany noho ny antony maro samihafa. Mbola misy anefa ireo manao izany ankehitriny ka handraisan’ny fanjakana sy ny tomponandraikitra fepetra. Ao anatin’ny ezaka rehetra hamongorana sy hiadina amin’ireo tambajotra sy vondron’olona manao fanotorana tany tsy ara-dalàna ny fitondram-panjakana amin’izao, amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy fanajariana ny […]




