Taratra

Fanavaozana fotodrafitrasa: notokanana ny FPVM Tsarahonenana

Notokanana ny sabotsy teo, ny fanavaozana sy fanitarana ny Fiangonana protestanta vaovao eto Mada­gasikara (FPVM) Mpanarato Tsarahonenana Andraisoro. Notokanana ihany koa ny alitara izay natao ho fahatsiarovana ny faha-15 taonan’ny fiangonana tamin’ny alalan’ny fanokanana ny tsangambato na dia efa 17 taona aza ny nijoroan’ny fiangonana. Ahit­ana rihana telo ny trano […]

Faritra iva : mirongatra ny lagaly eo amin’ny ankizy

Mirongatra ny aretina lagaly na mibontsin-drano amin’ny hoditra ho an’ny ankizy monina eny amin’ny faritra maro eto Antananarivo tato ho ato, raha ny fanadihadiana natao. Nanamafy izany ihany koa ny mpitsabo iray nanontaniana fa efa maro ireo ankizy entin’ny ray aman-dreny manatona mpitsabo voan’izy io. Mifindra amin’ny alalan’ny fifampikasohana ny […]

MMCP FARAFANGANA: nanentana ny mpianatra momba ny zava-mahadomelina

Nanentana momba ny voka-dratsy amin’ny fidorohana zava-mahadomelina ny Mouvement chrétien des cadres et professionnels (MMCP) Farafangana. Notontosaina tao amin’ny CEG Fenoarivo, Fara­fan­gana, ny faran’ny herinadro teo, ny hetsika fanentanana ireo mpianatra. Nanasa ny tomponandraikitra avy ao amin’ny fitsarana sy ny sampandraharaham-paritry ny Fahasalamana ny mpikarakara. Nilaza ny fampanoavana ao amin’ny […]

Kick Boxing-Combat Avenir : Hiditra amin’ny “chapitre 4”, ny 24 novambra

Hotanterahina ny 24 no­vambra izao, eny amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, ny “chapitre 4” amin’ny fifaninanana “Combat Avenir”, ta­ranja kick boxing. Fifanina­nana karakarain’ny Lion Force, tanterahina isan-taona. Taranja 3 no hifaninana amin’ity hetsika ity, ahitana ny full Contact, low kick ary ny K1. Araka ny fandaharam-potoana, ady 50 hatramin’ny 60 eo […]

“Run AMA Final Round »: Hafana ny fifanandrinan’i Bobo sy i Jaytaxx

Hotanterahina eny amin’ny Base 213 Arivonimamo, ny 1 desambra ho avy izao, ny dingana farany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Mada­gasikara, taranja fiarakodia mandeha amin’ny halaviran-dalana 400 metatra, « Run Ama Final Round ». Hafana tanteraka ity fifanintsanana ity, hiady izay ho lohany i Herizo Boarilaza na i Bobo sy Rasolojaona Tahiana […]