Taratra

Analakely: nororitin’ny mpanao sinto-mahery ny finday

Nikiakiaka sy niantso vonjy sisa hany herin’ilay vehivavy niharan’ny sinto-mahery teo amin’ny arabe mifanila amin’ ny Pavillon Analakely, omaly hariva tamin’ny 6 ora. Na­moaka telefaonina, niresaka tamin’ny olona tamin’ny ala­lan’ny antso ny tovovavy iray. Ahina ho efa nanara-maso ny fihetsiny anefa ny mpanen­daka izay nivezivezy teny an-toerana. Nandrasan’ity farany kendry […]

Tratra teo am-pisavana : taksiborosy tratra nitondra rongony 30 kg

Naiditra vonjimaika am-ponja eny Antanimora, omaly, ireo roa lahy voarohirohy ho tompon’antoka tamina trafikana rongony. Saron’ny zandary misahana ny fisavana ireo fiara mifamezivezy eny amin’ny lalam-pirenena ny 26 oktobra 2024 maraina, tao Ambatolampikely, kaominina ambanivohitr’ Ambanitsena, Pk 22+200, ireto roa lahy nandeha taksiborosy ireto. Nandritra ny fisavana nataon’ny zandary ny […]

Lonilonin’ny samy zandary: mpiana-draharaha nitifitra kapiteny

Maty notifirin’ny zandary mpiana-draharaha iray ny kapiteny lehibeny, omaly maraina. Voalaza fa lonilony nihotrika no antony. Nitifi-tena izy taorian’izay. Nirefotra ny basy tao amina efitrano iray ao amin’ny Centre spécial d’aguerrissement opérationnel (CSAO) Beroroha, omaly tamin’ny 8 ora sy 30 mn ma­raina. Zandary mpiana-draharaha iray (GST) no nitifitra ka nahafaty […]

Fandaharanasa Masterclass : hampitana ny voka-pikarohana

Hanohana ny fikarohana siantifika sy hanampy amin’ny fampitana izany ho an’ny daholobe ny Telma Mada­gascar sy ny Axian University amin’ny alalan’ny fandaharanasa Masterclass. « Tanjona ny hampiroboroboana ny seraseran’ireo voka-pikarohana sy hanampiana ireo mpikaroka hampahafantatra izany », hoy ny tomponandraikitry ny Telma, Randrianjatovonarivo Mamy Henintsoa. Noho izany, ma­nao fiofanana mandritra ny roa […]

VAOVAO TAMBATRA

Hiroso amin’ny fampihodinana tsikelikely ny famokarana ataony ny orinasa Ambatovy rehefa niato nandritra ny iray volana mahery, noho ny fahavakisan’ny fantsona mpitatitra akora mampitohy ny fitrandrahana ao Moramanga sy ny orinasa ao Toamasina. Nitaky asa betsaka ireo fanarenana ireo, anisan’izany ny fanamarinana ny hamafisan’ny fantsona. Tsiahivina fa vaky ny 25 […]