Taratra

Toekarena manga : antoky ny takalo ara-barotra

Hatolotra mialoha ny filankevitry ny minisitra, anio, ny fikasana ho fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa, ho fampiroboroboana ny fikarohana ny ranomasina sy ny harena ao aminy. Tanjona ny hampandrosoana ny toekarena manga eto amintsika. Mandray anjara 80% amin’ny fifanakalozana ara-barotra maneran-tany ny ranomasina. Fonenan’ny 80% ny zavamananaina eto ambonin’ny tany koa izy ary […]

Fampiroboroboana ny fambolena : nampahafantarina ny tatitra momba ny sakafo

Hanampy amin’ny famantarana ny tarehimariky ny fambolena sy ny vokatra azo avy aminy ary ny fomba fihinanana izany ny boky mirakitra ny voka-panadihadiana mahakasika ireo sakafo misy eto amintsika, ny taona 2016-2022. Mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny toekarem-pirenena ny sehatry ny fambolena. Ha­treto, mbola miompana amin’ny fambolena mahavelona ny […]

Ady amin’ny famarinana olombelona : nofanina ny mpiasan’ny Ravinala Airports

Anjaran’ny mpiasan’ny sera­nam-piaramanidina, ao amin’ny orinasa Ravinala Airports, any Nosy Be no nisitraka ny fampiofanana mahakasika ny ady amin’ny famarinana olombelona, izay nataon’ny BNLTEH. Nampahafantarina azy ireo ny karazana mari-pamantarana manan-danja izay mety hitarafana trangam-pamarinana olombelona. Amin’ny maha mpisehatra voalohany azy ireo eo amin’ny fifamezivezen’ny olona eny amin’ny seranam-piaramanidina, manana […]

INDRAY MIJERY

Ao anatin’ny vanim-potoan’ny fialantsasatry ny “Toussaint ” isika ankehitriny. Mitombo ny fivezivezena any amin’ny faritra Atsinanana sy any amin’ireo faritra hafa izay mankalaza ny 1 novambra. Manentana ny rehetra, araka izany, ny ATT mba samy hitandrina ho fisorohana ny lozam-pifamoivoizana. Eo koa ny fanamarinana ny taratasin’ny fiara rehetra sy ny […]

Boriborintany I, II, III : nampianarina hanatsara ny fihariany ireo vehivavy

Ho fanatsarana ny fiveloman’ireo renim-pianakaviana, nanao ezaka fampiofanana fanatsarana fihariana ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Nisitraka fiofanana momba ny fanamboarana ranon-tsavony sy menaka fanorana ireo vehivavy 70 ao amin’ny boriborintany voalohany sy faharoa ary fahatelo. Niandraiketan’ny ekipan’ny sampandraharaha misahana ny fiaraha-miasa amin’ny miankina sy ny tsy miankina izany. Hitohy ny 9 novambra […]