Hita faty tsy nisy lela sy voamaso ny raim-pianakaviana iray tao amin’ny trano fonenany, tao Ambodiampanga, fokontany Antanetibe, kaominina Ambohidrapeto, afakomaly maraina. Nipetra-drery io lehilahy io. Niaraka nisakafo tamin’ny olona mpifanerasera aminy izy ny alin’ny sabotsy, araka ny loharanom-baovao. Tsy nivoaka ny trano intsony izy ity ka nampanahy ireo manodidina. […]
Taratra
Harena voajanahary : hamafisina ny ady amin’ny fitrandrahana sy ny fanondranana
Hamafisina ny ady amin’ny fitrandrahana sy ny fanondranana harena an-kibon’ny tany ho an’i Madagasikara. Nisitraka fampiofanana manokana ireo mpisehatra amin’izany. Natolotry ny Bianco ho an’ ireo mpampiofana mpikaroka fandikan-dalàna ao amin’ny isan-tsokajiny ny takelaka fanamarihana fahafahana mampiofana ny votoatim-pampianarana momba ny ady amin’ny kolikoly, tetsy Anosy, ny zoma 25 oktobra […]
INDRAY MIJERY
Ankizy latsaky ny 15 taona miisa 300 no nisitraka fitsaboana maso maimaimpoana, omaly, tetsy amin’ny HJRA, sampandraharaha mitsabo ny maso. Fiaraha-miasa amin’ny tetikasa fitsaboana ny mason’ny ankizy sy fanofanana no nahafahana nanao izany. Hanofana mahakasika ny serasera sy ny fifandraisana ny fitaleavan’ny Serasera ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, anio sy rahampitso. […]
Etazonia : manohana ny fizarana lay misy odimoka
Hiaro olona amin’ny aretina tazomoka maherin’ny 28 tapitrisa ny vinan’ny filoha amerikana. Nanomboka ny 26 oktobra lasa teo ny ady atao amin’ny tazomoka, vatsian’ny governemanta amerikana vola. Tohanana, mandritra izany, ny fizarana lay misy odimoka 2,9 tapitrisa isa ho an’ny eto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’ny hetsika ny fizarana lay misy […]
Tsy fanjarian-tsakafo : miara-miasa i Etazonia sy i Madagasikara
Nidinika mahakasika ny fanatsarana ny fanjarian-tsakafo sy ny fahaiza-miatrika izany eto Madagasikara ny sekreteram-panjakana misahana ny Fahaleovantena ara-tsakafo sy ny masoivohon’i Etazonia, Claire Pierangelo, omaly. Ny fomba fambolena manaja tontolo iainana no anisan’ny fahombiazana anatin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Ankoatra ny tohana vonjy aina sy ny fanampiana ara-tsakafo, miara-misalahy amin’i […]




