Taratra

CUA-Iscam : Kilasy 44 hianatra teny frantsay maimaim-poana

Natomboka, omaly, tetsy amin’ny sekoly ambaratonga fototra Ankadifotsy II ny tetikasa fisantarana ny fampianarana teny frantsay maimaim-poana, ivelan’ny ora fiana­rana. Natao ho an’ny kilasy fahadimy eny amin’ny EPP eto anivon’ny tanànan’An­tananarivo Renivohitra izany. Nisy ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa teo amin’ny CUA sy ny oniversite tsy mian­kina Iscam. Nosafidiana manokana ny teny frantsay […]

Profesora Robinson Annick: Virose ny aretina mahazo ny ankizy ankehitriny

Areti-mifindra mateti-pitranga amin’ny zazakely ny virose, izay azo avy amin’ny otrikaretina madinika antsoina hoe “virus”. Io aretina io no mirongatra ankehitriny, araka ny fanaza­van’ny profesora Robinson Annick. “Miditra eo amin’ ny orona ary manafika ny taovam-pisefoana ny «virus», mahatonga ny aretina virose mamely ireo zaza sy ankizy amin’izao fotoana”, hoy […]

Fanangonan-tsonian’ireo depiote : ahina ho saro-toerana ny minisitry ny Fitsarana sy ny Mponina

Voahozongozona. Naneho ny tsy fahafaliany ka raikitra ny fanangonan-tsonia eny Tsimbazaza. Nohitrikitri­hin’ ny depiote Raholdina Naivo, omaly, fa tsy ara-dalàna ny nanapahan’ny minisitry ny Fitsarana ny karaman’ireo mpirakidraharaha miisa 56 noho ny fitokonana nataon’izy ireo. Notsiahiviny fa tsy notapahina karama izany ireo sendika nitolona niaraka amin’ny depiote 73 teny amin’ny […]

Minisitry ny Atitany: “Tsy misy kajikajy politika ny kopia faobe”

Nitondra fanazavana ma­noloana ny feo miely ny minisitry ny Atitany, i Tokely Justin, omaly. Nazava ny nambarany, tetsy Mahamasina, afakomaly. “Adihevitra tsy tokony hipetraka ny fampifandraisana ny hetsika kopia faobe sy fanaovana karapanondro amin’ny kajikajy politika. Tsy tokony hirona amin’ny fanelezana vaovao tsy marina sy hevi-diso isika mba tsy hiteraka […]