Taratra

TSELATRA

Notanana eny Tsiafahy, ny faran’ny herinandro teo, ny sakaizan’ny renin’ilay zazalahy kely 11 taona maty novonoina teny Tanjombato. Tratra tao anatin’ny findain’io rangahy io avokoa ny hafatra miafina rehetra nitakiany ny vola ho solon’ny famotsorana ny zanak’ilay ramatoa. Roa lahy hafa niara-notanana aminy.

Namontana : jiolahy maty voatifitry ny Sag

Nifanenjehan’ny Service Anti-Gang eo anivon’ny polisim-pirenena, ny jiolahy raindahiny amin’ny asa fanendahana miharo herisetra teny Namontana, ny sabotsy 26 oktobra teo. Naharay loharanom-baovao ny mpitandro filaminana fa nihaodihaody teny amin’ny manodidina io olon-dratsy io. Tsikaritry ny mponina eny an-toerana fa nitondra antsy lavalela izy tamin’io fotoana io. Ity farany izay […]

Zazavavy voatery naiditra hopitaly: nidoboka am-ponja ilay renikely namono azy

Niakatra fitsarana, naiditra any am-ponja, nahazo sazy mihatra herintaona, ilay vehivavy nidaroka ny zana-badiny tao Soahatsiadino, Fianarantsoa, ny zoma 25 oktobra teo. Nodarodarohan’ny renikeliny noho ny fisiana vola very tao an-trano ny zazavavy iray tao Fianarantsoa, ny 11 oktobra lasa teo. Niara-nipetraka amin’io sakaizan-drainy io ilay zaza. Nitrangana fahaverezam-bola anefa […]

Kaominina Alatsinainy Ambazaha : vehivavy maty main’ny herinaratra

Renim-pianakaviana iray namoy ny ainy, main’ny herinaratra, vokatry ny fisiana andrin-jiro nianjera tamin’ny tany teny Atsimondrano, ny sabotsy tolakandro teo. Tandrevaka tanteraka no niteraka ny loza. Maty tsy tra-drano main’ny herinaratra mahatratra 350 volt ny renim-pianakaviana 30 taona teny amin’ny fokontany An­janamanoro, kaominina Ala­tsinainy Ambazaha, distrikan’Atsimondrano, ny tolakandron’ny sabotsy teo, […]

Jiu-jitsu-« World Championship » : 16 mianadahy hisolo tena ny Malagasy

Voafantina tamin’ity herinandro ity ireo Malagasy mpikatroka ny taranja Jiu-jitsu Breziliana, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, hatao any Abu Dhabi, ny 6 hatramin’ny 16 novambra ho avy izao. Araka ny vaovao nampitain’ny Federasiona mala­gasin’ny JJB, 24 miandahy izy ireo no niatrika fampivondronana ary 15 amin’izy ireo no voafantina. […]