Taratra

Depiote Andrianandrasana Norbert: “Mila hatsaraina ny sosialim-bahoaka”       

“Efa betsaka ny vitan’ny fanjakana amin’ny fotodrafitrasa. Ny amin’ny sosialim-bahoaka, tao anaty lavaka isika nandritra ny taona maro. Miezaka ny fitondram-panjakana mijery izay amin’izao fotoana izao. Mila hatsaraina izay, araka ny fahitanay azy“, hoy  ny depiote, Andrianandrasana Norbert Marie Ignace. Any Mananjary, ohatra, ny tantsaha no tokony hojeren’ny fanjakana akaiky […]

Vatovavy, Fitovinany, Atsimo Atsinanana: hohamafisin’ny Bianco ny ady amin’ny kolikoly…

Napetraka ny herinandro teo hitantana ny rantsamangaikan’ny Bianco any Manakara i Mananjara Andy. Am-perinasa avy hatrany izany ary nametraka fanamby hanamafy ny ady amin’ny kolikoly ho an’ny faritra  Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo Atsinanana. Anisan’ny antony nametrahana izany maha faritra mamokatra sy manana tanjaka ara-toekarena ireo faritra ireo. Mila fiantohana ny […]

Fanapahan-kevitra ny CSM: mpitsara efatra nahazo fanasaziana 

Mpitsara 1er Grade avy ao Toamasina nahazo fampitandremana, araka ny fanapahan-kevitra tamin’ny fivorian’ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara (CSM), ny faran’ny herinandro teo. Eo koa ny mpitsara iray avy ao amin’ny faritra Sava, “3ème Grade, 3ème échelon”, nahazo sazy faniniana; mpitsara iray “3ème Grade, 2ème échelon”, eto Antananarivo, nampidinana “échelon”; […]

Fampandehan-draharaham-panjakana : manana anjara ny lehiben’ny boriborintany 

“Manana toerana goavana amin’ny fampandehanan-draharaham-panjakana eny anivon’ny kaominina ny lehiben’ny boriborintany”, hoy ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, i Tokely Justin, tany Vohipeno, ny faran’ny herinandro teo, momba ny toeran’ny solontenam-panjakana eny ifotony. Tsy tokony hohadinoina fa mpanampy ny solontenam-panjakana eny ifotony ny lehiben’ny boriborintany, fa ny lehiben’ny distrika […]

Fahatarana amin’ny fomba fiasa: nampisavorovo ireo depiote ny bokin’ny tetibola 2023

Nampiaka-peo ireo depote amin’ny fahataran’ny fahatongavan’ny boky be mirakitra ny tetibola 2023 eny Tsimbazaza. Anisan’ny tsy faly ireo avy amin’ny tsy miankina sy ny solombavambahoaka avy amin’ny fanoherana. Nitabataba sy tsy faly. Samy nifampahatsiahy ireo teny an-dapa, omaly fa tsy maintsy ny faran’ny volana oktobra farafahatarany no tonga eny an-tanan’ireo […]