Taratra

SOMBIM-BAOVAO

Tafiditra ao anatin’ny «All Star» i Tantely sy Tiffany, nandritra ny fiofanana «Fiba Africa Regional Youth Camp», natao tany Abidjan, Côte d’Ivoire. Fiofanana ny 21 hatramin’ny 24 oktobra lasa teo, natokana ho an’ny mpilalao mendrika voafantina avy amin’ny firenena afrikanina 22 izy ity. Mizara ny traikefany ho an’ireo judokas malagasy, […]

Fifindrana klioba : nalain’ny Enppi Club, Egypte, i Tendry

Nambaran’ny filohan’ny Disciples FC Vakinankaratra, Johny Rijaniaina, omaly, fa nalain’ny Enppi Club avy atsy Egypte ny lohalaharan’izy ireo, Randrianarijaona Tendry Mataniah. Maharitra taona iray eo ny fifanarahan’ny roa tonta ary azo havaozina izany. Tsara marihina fa mitana ny laharana fahasivy amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Egypte, diviziona voalohany, ny Enppi […]

Baolina kitra, vehivavy – “Cosafa cup”: hidona amin’i Malawi tompondaka ny Barea, anio

Hifantoka atsy Afrika Atsimo indray ny sain’ny mpitia baolina kitra, amin’ity faran’ny herinandro ity. Hiaka-tsehatra mantsy, anio, ny Barea, vehivavy, eo amin’ny fiadiana ny “Cosafa cup”. Hidona amin’i Malawi izy ireo, anatin’ny vondrona “B”. Hiatrika ny andro faharoa amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ireo firenena aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika, taranja […]

VAOVAO TAMBATRA

Nizarana karatra maha mpamokatra ny tantsaha any Ihosy, any amin’ny faritra Ihorombe, ny alakamisy teo. Natolotra tamin’io fotoana io koa ny taratasy maha mpamokatra masomboly matihanina ny tantsaha any Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony ary Ihorombe. Teo koa ny fampisehoana ny fampiasana ny milina fanetsana enti-tanana, novokarin’ny tetikasa Defis, eo ambany […]

Vatomandry – Mahanoro : hamboarina ny lalana tena ratsy

Nanome toromarika ny minisitry ny Asa vaventy, Rafidison Richard Théodore, ny hanarenana haingana ireo lalana tena ratsy eto Mada­gasikara. Nidina ifotony avy hatrany ny teknisiana, ka anisan’ny efa manomboka ny fanamboarana ny toerana tena ratsy amin’ny lalam-pirenena mampitohy an’i Vato­mandry sy Mahanoro (RN 11A). Anisan’izany ny eo amin’ny PK 53 […]