Hafindra eny Bongatsara, atsimondrano, ny toby fitahirizan-tsolika etsy Ankorondrano. Hatao izany, noho ny fananamboarana lalana vaovao eny Ankorondrano mankeny amin’ny kianja Maki Andohatapenaka. Etsy ankilany, miisa 65 ny ampahatany hananganana ny fitahirizan-tsolika eny Bongatsara. Hiantohan’ny orinasa Logistique Petrolière ny fanonerana ny tompon-tany. Tanterahana ao Mahajanga ny 24 ka hatramin’ ny […]
Taratra
Taom-pamokarana letisia 2024 : hihena ny vokatra, lasa aloha ny fiotazana
Toy ny tamin’ny taona 2016, hotazana mialoha ny letisia any amin’ny faritra atsinanana ho an’ity taona ity. Vinavinaina ho eo anelanelan’ny 11 sy 14 novambra izany, hoy ny ivontoerana teknika mpanara-maso ny famokarana ao Toamasina (CTHT). Hihena ihany koa ny vokatra noho ny habetsaky ny orana hatramin’ny niandohan’ny volana oktobra, […]
Salon international de l’habitat : Omen-danja ny tontolo iainana
Miavaka ny « Salon internationale de l’habitat » andiany faha-26 atao eny amin’ny Forello Expos Tanjombato, nanomboka ny 24 ka hatramin’ny 27 oktobra. « Omen-danja manokana ny tontolo iainana sy ny fikarohana mifandray aminy », hoy ny sekreteram-panjakana misahana ny Tanàna vaovao sy toeram-ponenana, Andriamanohisoa Gerard, omaly, nandritra ny fanokafana ny hetsika. Mivoatra, hoy […]
Optima Business : hisondrotra 20% ny faktioran-jiron’ny orinasa
Hampiakarina ny saran’ny herinaratra ho an’ny orinasa indostrialy. Fanapahan-kevitra efa nifanarahan’ny fanjakana sy ny Vondrona orinasa tany aloha ity hampiharina ity. Nivoaka tao amin’ny filankevitry ny minisitra, ny 23 oktobra teo, fa nankatoavina ny fanitsiana ny saran’ny herinaratra Jirama, ao anatin’ilay sokajy « Optima Business ». Voakasik’izany ny orinasa indostrialy mampiasa tanjaka […]
INDRAY MIJERY
Nitrangana halatra sokatra tao amin’ny valanjavaboahary Tsimbazaza, andro vitsy lasa. Karazany Pyxis arachnoides sy Astrochely radiata no very tamin’ izany. Nidina ifotony teny an-toerana ny minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa, manoloana ny tranga. Nambarany fa tokony hamafisina ny fiarovana ny toerana honenan’ireo biby. Nanome torolalana koa izy […]




