Olona efatra notanana vonjimaika any am-ponja noho ny fanimbana fananan’olona sy fanakorontanana nandritra ny fitokonana nataon’ izy ireo teny Ambohipo, ny 21 oktobra lasa teo. Raha tsiahivina, nidina an-dalambe nandoro kodiarana sy nitora-bato mpitandro filaminana ny mponina teny an-toerana, tamin’io andro io, noho ny fanehoan’izy ireo ny fahatezerany manoloana ny tsy […]
Taratra
Naman’ireo fito maty voatifitra : naiditra am-ponja ireo telo lahy azo sambo-belona
Naiditra am-ponja ao amin’ ny fonjaben’Ambalatavoahangy ireo jiolahy telo voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ ny fanafihana narahina halatra tao amin’ny distrikan’i Toamasina II, ny alatsinainy lasa teo. Naman’ireo jiolahy fito maty voatifitry ny zandary nandritra ny fifanjevoana tao an-toerana izy telo lahy ireto saingy tafaporitsaka. Nanao hazalambo azy ireo ny zandary […]
Nahazo 400 tapitrisa Ar : lehilahy iray nisandoka ho mpiara-mivavaka
Tsy mety fay mihitsy! Voasambotry ny polisy tao Morombe, omaly, ny lehilahy iray nisandoka fa mpivavaka ao amin’ny fiangonana Rhema Itaosy saingy tonga tany Morombe izy. Araka ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana, niangavy ny Pastoran’ny Fiangonana Rhema tao an-toerana izy fa tsy manana toerana hivantanana. Nilaza izy fa manana […]
Antohomadinika : jiolahy iray lavon’ny polisy
Nihena iray indray ny olon-dratsy ho an’ny eny amin’ny faritr’Antohomadinika sy ny manodidina. Jiolahy mpandroba amin’ny alina, maty voatifitra. Jiolahy raindahiny amin’ny fanendahana mitam-piadiana lavon’ny polisim-pirenena teo Antohomadinika, ny alin’ny alakamisy 24 oktobra, tamin’ny 9 ora alina. Nihaodihaody teny amin’ny manodidina ireo olon-dratsy telo mirahalahy, nanomboka ny harivan’io andro io. […]
Grand Tournoi d’Antananarivo : manohitra ny ekipa vaventy ny klioba zandriny
Notontosaina, ny alarobia sy ny alakamisy lasa teo, teny amin’ny Kianja CFFA Andoharanofotsy Iavoloha, ny andro faharoa ny fiadiana ny amboaran’ny « Grand Tournoi d’Antananarivo (GTA) ». Tsy nampoizin’ny rehetra hatrany ny vokatra teny an-toerana. Anisan’izany, ny fandresen’ny AS Ste Anne Espoir, 1 no ho 0, ny FC Rouge, izay klioba mifanintsana […]




