Taratra

“Festi-Sôva” andiany faha-7 : homena sehatra ireo kalaza amin’ny vakisaova

Hetsika ara-kolontsaina miharo fanabeazana ny “Festi-Sôva”. Hiara-dalana ny zavakanto sy ny fanentanana isan-karazany amin’ity andiany faha-7 ity. Hivelatra kokoa noho ny teo aloha ny hetsika. Hazo Midoroboka avy eny Ampamarinana, Gasy Misôva Behoriri­ka, Tara-pahazavana Andrai­so­ro, Fanja Anjanahary Misôva, Black Col­lection Andranomanalina, Fita­rikan­dro Tsiadana, Kintan’ny Alina Antohomadini­ka, sns. Tarika mivoy ny […]

FANTINA sy FINTINA

Volavolan-dalàna maro no nolaniana teny anivon’ny Antenimierampirenena, omaly, nandritra ny fivorian’ireo mpikambana. Anisan’izany ny volavolan-dalàna laharana faha-006/2024, tamin’ny 07 febroary 2024, sy ny volavolan-dalàna laharana faha-013/ 2024, tamin’ny 13 jona 2024. Ireo volavolan-dalàna ireo izay mifantoka kokoa amin’ny angovo azo havaozina sy ny fanatsarana ny fari-piainan’ny vehivavy. Tsiahivina fa ny […]

Fihaonambe ho an’ny hoavy : miray vina amin’ny fanatanterahana ireo fanamby ny fitondram-panjakana

Notanterahana, omaly, ny famerenana ny fihaonambe ho an’ny hoavy natao tany New York, ny 20 hatramin’ny 23 septambra teo. Teny amin’ny Foiben-toeran’ny minisiteran’ ny Raharaham-bahiny malagasy, teny Anosy, no natao izany. Nitarika ny fihaonana ny minisitry ny Rahara­ham-bahiny, Rasata Rafara­va­vitafika, notronin’ny mpandrindra mpisolo toerana eo anivon’ny Firenena mikambana, Josiane Yaguibou, […]

Tsy mikely soroka

  Mihazakazaka ny fitadiavana fiaraha-miasa amin’ny firenena ivelany, ankehitriny. Tsy mandry andro, tsy mandry alina ny filohan’ny Repoblika amin’ny fikarohana lalam-bola. Tsy mifidy mpiara-miombon’antoka intsony fa izay vonona ny hitondra ny anjara birikiny dia « tonga soa ». Tsy mihanona amin’ny mpamatsy vola mahazatra sy ny tandrefana intsony i Madagasikara fa manatona […]

Filoha Rajoelina : “Hanova an’i Madagasikara isika”

Nisy ny fifanakalozan’ny delegasiona avy amin’ny andrimpanjakana any Émirats Arabo Mitambatra sy ny governemanta malagasy, omaly. “Hanova an’i Madagasikara isika”, hoy ny filoha Rajoelina. “Hanova an’i Madaga­si­kara isika. Zava-dehibe izay. Manom­boka amin’ny minisitra izany. Eo koa ny mpitarika eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika”, hoy ny filoha Rajoelina Andry, omaly, teny […]