Taratra

19 taona nanolanana an-janany: mpanao baolina malaza naiditra eny Tsiafahy

Nalefa eny Tsiafahy ny raim-pianakaviana iray nanolana an-janany vavy tetsy Ampasamadinika. Niharan’ny herisetra nandritra ny 19 taona io zanany io saingy izao vao nisy sahy nitoroka. Naiditra am-ponja eny Tsiafahy ilay mpihira sady mpanao baolina malaza eto an-toerana ha­trany ampitan-dranomasina. Niakatra fampanoavana ny alatsinainy 13 janoary teo izy. Naiditra vonjimaika […]

Don-tandroka

Asa re inona no hiseho? Hoy ny fanontanian’ny maro, manoloana ny zotra politika eto amin’ny firenena. Andaniny, ny mpanohitra, mandrangaranga ny tsy fanekena ny voka-pifidianana. Milaza ny hanao hetsika mihitsy ho fitsipahana ny “ fanodinkodinana ny vatony”. Hidina an-dalambe raha ilaina izany. Asa inona no koninkononina eny Bel’air eny? Efa […]

Filohan’ny Antenimierandoholona: “Ianareo vahoaka, aza manaiky ampirisihin’olona”

“Ianareo vahoaka, aza ma­naiky ampirisihin’olona. Na eo an-toerana io, na any ivelany. Ny any ivelany, tsy voakitika: inona moa no iraharahana izany? Ny eto Madagasikara, ampirisihiny ny tena, jereny fo­tsiny rehefa avy eo”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Ante­ni­mierandoholona, ny jeneraly Ravalomanana Richard, ta­min’ny mpanao gazety teny amin’ny Toby Ratsimandrava, Andrefan’Ambohijanahary, […]

Fifidianana ben’ny tanàna: nolavina ny fitorian’i Tojo Ravalomanana

Notsipahin’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana (Taf), Anosy, ny fitorian’ny kandidà nangataka ny fanalana an-daharana an-dRamanantsoa Harilala. Andrasana rahampitso ny didim-pitsarana. Nolavin’ny fampanoavana ny fangatahana fanintsanana an-daharana ny kandidàn’ny Irmar amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna eto Antananarivo, Ramanantsoa Harilala. Fitoriana nataon’ny kandidà isany: Razafinjoelina Tahina sy i Gascar Fenosoa, ary […]

Novelesina tamin’ny hazo: vehivavy bevohoka voaroba 1 200 000 Ar

Lasan’ny jiolahy ny vola mitetina 1 200 000 Ar, an’ny renim-pianakaviana iray tao Amborovy, kaominina Mahajanga, ny alahady 12 janoary, teo. Avy nivarotra, namonjy ny lalana fodiany toy ny mahazatra ilay ramatoa mitondra vohoka. Nitondra moto izy. Narahin’ny olon-dratsy anefa, voavelin’ny hazo tampoka avy aoriana io vehivavy io. Niongana teny ambony moto, […]