Taratra

Rano tsy madio: Mirongatra ny aretin-kibo

Anisan’ny aretina mpahazo ny ankamaroan’ny olona amin’izao fotoana izao, tato anatin’ity volana oktobra ity, ny aretin-kibo antsoina hoe: « gastro-entérite », raha ny fanazavan’ny mpitsabo iray etsy Analakely nanontaniana. Aretina mahazo ny tsinay sy ny vavony ary azo avy amin’ny fisian’ny viriosy sy katsentsitra izy io, amin’ny ankapobeny. Antony mahatonga izany […]

Anosibe-firaisana faha-IV: maniry hiofana amin’ny karazana asa marolafy ny tanora

Taorian’ny teny Isotry, nahazo ny anjara koa ireo mponin’Anosibe fizarana ny hetahetany amin’ny fiofanana tiany hatao. Marolafy ny fiofanana amin’ny sehatrasa fivelomana irin’izy ireo hotanterahina. Nitohy teny Anosibe indray ny andiany faharoa amin’ny hetsika “Fijery hafa” notanterahin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, izay tarihin’ ny minisitra Rasoloarisoa marie […]

INDRAY MIJERY

Nihaona tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely ireo mpitantana ny paompy eto Antananarivo. Tanjona ny hanatsarana ny fitantanan-drano ka nametrahana ny fandaminana sy ny toromarika vaovao. Tafiditra ao anatin’izany ny fanajana ny ora fampiasana ny paompin-drano, ny fametrahana “chef de zone” mifandray mivantana amin’ny CUA, ny fanaovana tatitra isam-bolana momba ny […]

Vakinankaratra: nizarana tehina fotsy ireo olona jamba

Nomarihina tao Vakinan­karatra ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny tehina fotsy, omaly. Nanatanteraka izany niaraka tamin’ny Federasion’ ny olona manana fahasembanana ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie. Lohahevitra novoizina ny “Fampananan’asa ny olona jamba izay mitaky fandraisana andraikitry ny tsirairay ho amin’ny fampandrosoana mampiaty ». Zava-dehibe ny fiahiana ireo […]

Fifehezana valanaretina: Nivoaka ny andiany Atrika, nanolotra fitaovam-piasana ny COI

Mbola mahafaty olona maro ny fiparitahana karazana valanaretina eto Madagasikara. Mampitombo ireo manam-pahaizana afaka hiatrika izany eny an-kianja ny fanjakana. Nanolotra fitaovana enti-miasa ihany koa ny COI, ahafahana mifehy ara-potoana ny valanaretina mba tsy handripaka olona. Namatsy fitaovana ara-pahasalamana hifehezana ny karazana valanaretina misy eto Madagasikara ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina […]