Taratra

Ady tombontsoa eny Tsimbazaza : nanazava ny depiote Gascar Fenosoa

Inona ny marina ? Nam­piantso ny minisitry ny Toe­karena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Ha­simbelo, ny depiote tamin’ny fivoriana nikaton-trano, teny amin’ny Antenimieram­pire­nena, Tsimbazaza, afakomaly. Nanana ny fanazavany ny depiote tsy miankina, i Man­drindrarivony Ogascar Feno­soa, teny Tsimbazaza, omaly. Ilain’ny depiote ny fiara 4 x 4, indrindra ireo any amin’ny faritra… […]

Fanadiovana faobe

  Tao anatin’ny herinandro maromaro, nahoraka sy nahazo vahana teto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina ny aretina hafahafa. Sekoly vitsivitsy, mpianatra maromaro no voalaza fa tratry ny ambalavelona. Aretina tsy misy atahorana raha ho an’ny mpitsabo ara-tsiansa. Heverina ho toy ny aretina androbe, azo tsaboina. Tsy misy atahorana, tsy misy […]

Kandidà Ndriana Razanamasy : “Aoka izay ny fampanantenana poakaty”

Hentitra sy nahitsy ny kandidà ben’ny Tanàna, eto Antananarivo, i Ndriana Razanamasy, raha naneho hevitra momba ny fifidianana. Nampahafantariny tamin’izany koa ny fandaharanasany. «Aoka izay ny fampanantenana poakaty. Tsy hizara tee shirt sy koveta na koa handainga isika fa hametraka kosa ireo toko telo hitantanana ny renivohitra», hoy izy, tetsy […]

TSELATRA

Lasan’ireo mpanao mena mahazo ny vola 4 hetsy Ar an’ny tovolahy iray nikasa haka entana teny Anosibe Tsena, omaly. Mody norebireben’ireo andian-jatovo mpanao izany izy ka roboka saika hampitombo vola, kanjo lasa ny vola rehetra. Tovovavy iray matin’ny lozam-pifamoivoizana teo Analamahitsy, omaly maraina. Nandeha moto izy. Nandeha mafy ny mpitondra […]

Nampandohalihana ny tompon-trano : norobain’ny jiolahy ny vola 140 tapitrisa Ar

Nirefotra indray ny basin’ireo jiolahy efatra nisaron-tava mitam-piadiana mahery vaika tao Dépôt Bazaribe Toamasina, omaly tolakandro. Notafihin’ny jiolahy ny tranombarotra mpamongady iray tao an-toerana. Araka ny fanazavan’ireo niharan’ny fanafihana, vola mitotaly 140 tapi­trisa Ar niampy vola mbola tsy voaisa anatina fitoeram-bola ary volan’ireo mpanjifa mividy entana tao amin’ilay mpamongady no […]