Tanterahina ny 2 hatramin’ny 28 novambra 2024, eny amin’ny Fondation H Ambatomena, ny fampirantiana « Invitation Aux Temps » tontosain’i Finoana Ratovo Andriantseheno. Hosodoko sy sary sokitra maneho fiarahamonina anjakan’ny rariny sy ny hitsiny ary ny fitoviana no hasehony ao anatin’izany. Hiaka-tsehatra ao amin’ny IFM Analakely, anio, mandritra ny hetsika « Focus Fantasia », […]
Taratra
Mahaleo Taranaka: manoritra tsikelikely ny lalany
Nahazo ny tsodranon’ny raiamandreny. Telo taona teo izay no niara-dalana tamin’ny tarika Mahaleo ny taranaka. Zanak’ireo mpikambana ao amin’ny tarika ihany ny ankamaroan-dry zalahy. Nanotrona hatrany an’i Bekoto sy i Dama, nanohy ny “Revy Mahaleo” izy ireo. Taorian’ny tsodrano avy amin’izy mirahalahy Mahaleo mbola velon’aina, manoritra tsikelikely ny lalany amin’izay […]
“Embana” : sidina am-poezia etsy amin’ny CGM Analakely
Kalo Fanomezana, Nirihaja, Tiavina ary Haingohaja. Andriambavilanitra efatra natambatry ny poezia ary mpiray faribolana ao amin’ny Sandratra izy ireo. Hisidina am-poezia, araka ny filazan’izy ireo azy, amin’ny alalan’ny “Embana” ny sabotsy 26 oktobra izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ao amin’ny CGM Analakely. “Ny hoe Embana dia fitenim-paritra iray izay […]
Fomba maha malagasy : hampahafantatra momba ny Fanompoambe ny Pr Rabesa Zafera
Anisan’ny fantsona iray mitondra any amin’ny fampandrosoana ny firenena ny fanajana ny kolontsaina. Maro anefa ny Malagasy tsy mbola mahafantatra ireo fomban’ny razambe tany aloha. Izany indrindra no anton’izao velakevitra ho fampahafantarana ny Fanompoambe izao. Tanterahina anio, eny amin’ny Musée de la Photographie Anjohy, ny velakevitra mahakasika ny fomban-drazana fanaon’ireo […]
FANTINA sy FINTINA
Nitafa mivantana tamin’ireo mponina eny Andraisoro sy Ampanotokana ary Ambatomaro sy Tsarahonenana ny kandidà ben’ny Tanàna eto Antananarivo, Ravalomanana Tojo. Nambarany fa nahita ny iainana eny amin’ny tapany atsinanan’ny boriborintany fahadimy ny tenany. « Tsy mendrika ny maha olombelona intsony ny fijalian’ny mponina », hoy izy. Nampahatsiahy ny Ceni fa mifampiankina tanteraka […]




