Voasambotry ny polisy tao Tanambao SPM Maintirano, ny 16 oktobra 2024, teo ny lehilahy iray mpanamboatra basy sy mpamatsy fitaovam-piadiana ireo dahalo mpanao fanafihana amin’iny faritra Melaky iny. Manana orinasa fanamboarana ireny fitaovam-piadiana vita tanana ireny ity lehilahy ity. Niainga avy amina loharanom-baovao iray no nahafantaran’ny polisy ny momba ny […]
Taratra
Tranga hafahafa eny an-tsekoly: mila mailo !
Mateti-piseho ny tranga hafahafa eny an-tsekoly: mitsipatsipaka sy torana ny mpianatra. Misy milaza fa ambalavelona. Ny sekoly sasany manamafy fa loza na hanoanana. Mila mailo sy mitandrina! Mpianatra miisa folo indray torana tetsy amin’ ny sekoly iray etsy Mandroseza, omaly maraina. “Fofona entona mahery no nitarika ny voina. Niparitaka vetivety […]
AVG SY NY BIANCO : nohamafisina ny fiaraha-miasa
Natao sonia, omaly, ny fanavaozana ny fiaraha-miasa eo amin’ny vovonana fiarahamonim-pirenena Alliance Voahary Gasy (AVG) sy ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly (Bianco). Fanintelony ity fiaraha-miasa hiadiana amin’ny kolikoly amin’ny sehatry ny harena voajanahary ity, efa natomboka ny taona 2018. Nilaza ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny AVG, Razakamanarina Ndranto, fa zava-dehibe […]
VAOVAO TAMBATRA
Miisa 11 500 ny efitrano fandraisam-bahiny vaovao haorina, entina hampiantranoana ny vahiny sy ny mpizahatany ho avy eto Madagasikara. Tsy voatery ho mpizahatany mahazatra ny hanjifa azy ireny fa eo koa ny mpandraharaha hampiasa vola aty amintsika. Anisan’ny paikady hanatrarana mpizahatany sy vahiny miisa 1 000 000 mitsidika an’i Madagasikara amin’ny […]
Tosika ho an’ny e-commerce : misokatra ny Orange Shop
Manakaiky sy manome fahafaham-po ny mpanjifa hatrany ny Orange Madagascar. Nampahafantarina omaly, tetsy Soarano, ny Orange Shop eo anivon’ny tranokalan’ny www.orange.mg. Tolotra hahafahan’ireo mpanjifa mividy finday sy kojakoja isan-karazany ary tolotra samihafa ana habaka eo anivon’ny orinasa Orange Madagascar manerana ny Nosy. « Tsy voatery hanatona botika Orange intsony ireo mpanjifa […]




