Taratra

Mifandefona ivoho indray

  Hitsina ny resaka, vantanina ny tafa mba tsy hisian’ny ahiahy tsy hihavanana eto amin’ity firenena iaraha-manana ity. Sanganehana ihany mahita ny fivoaran’ny raharaha politika, ankapobeny. Toa milamindamina hafahafa izany. Toa mandeha tsy mandeha ny zava-drehetra. Raha tazanina avy ety ivelany, manodoka izay tsy izy. Rehefa tomorina anatiny anefa, toa […]

Saran-dalana aloa amin’ny finday: misantatra ny andrana ny taksibe amin’ny zotra 147 D

Maro ny tsy fanajan’ny mpitatitra eto an-dRenivohitra ny mpandeha sy ny bokin’andraikitra. Anisan’ny vahaolana ny fampiasana ny teknolojia niomerika, toy ny fandoavana ny saran-dalana amin’ny finday. Miroso tsikelikely amin’ ny fampanaraham-penitra ny fandrindrana ny fitaterana taksibe. Misy ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ny orinasa Carte Passe Partout (CPP) System Mada­gasikara sy ny […]

Antoetra : taolam-paty marobe hita tao anaty gony

Nahitana gony feno taolam-paty tao Ambatolahy fokontany Antoetra distrikan’ Ambositra, omaly tolakandro. Mpianatra avy nirava nianatra no nampandre ireo zandary mpanao fisafoana momba ny fisian’ireto taolam-paty marobe tanaty gony ireto. Nidina ifotony niaraka tamin’ny polisim-bohitra sy ny sefo fokontany niaraka tamin’ny fokonolona vitsivitsy ny zandary. Voamarina tokoa ny fisian’ireo gony […]

Bonarabe 67ha : tratra ireo andian-jiolahy mpanendaka

Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahafito (CSP7) 67 ha, omaly, ireo andian-jiolahy malaza ratsy amin’ny halatra sy ny fanendahana amin’iny faritra iny. Lehilahy iray no tonga nanao fitarainana tao amin’ny biraon’ny polisy (CSP7) 67 ha. Nitaraina fa niharan’ny halatra nataon’ireo olon-dratsy nitondra sabatra teo Bonarabe 67ha Avaratra […]

MECC – World Cup : nahazo tohana avy amin’ ny Filatex i Cédric Morgan

Tanora malagasy tokana tafita hiatrika ny famaranana momba ny Microsoft Excel Collegiate Challenge (MECC) hatao any Las Vegas, ny fiandohan’ny volana desambra 2024 ho avy izao, i Cédric Morgan Rasolofo. Nahazo tohana avy amin’ny vondrona Filatex énergies izy amin’izao fiatrehany ity fifaninanana ity. «Ny vondrona Filatex amin’ny alalan’ny Filatex énergies […]