Taratra

Toamasina : sarona ireo mpanapoka solika

Miverina indray ny solika mitapoka. Miisa 24 mianadahy ireo ahina ho nanapoka solika anjatony litatra. Maro ireo nametraka fitarainana tato anatin’ny volana vitsy fa simba ny fiara vokatry ny haratsian’ny solika. Fantatra aorian’ny fanamboarana ny fiara fa nandrotsahana solika mitapoka ny fiara na moto iray nisedra olana. Nametraka fitarainana ireo […]

Fanasan-tanana : nanentana ny kamboty ny vondrona kameroney

Andro maneran-tany ho an’ny fanasan-tanana ny 15 oktobra. Nitsidika sady nanentana ny ankizy tezaina ao amin’ny foibe fitaizana ny zaza kamboty Felana Maitso eto Antananarivo, ny alatsinainy teo, ny vondron’ny teratany kameroney eto Madagasikara, nanamarihana izany. Nohazavaina tamin’ny ankizy ny maha zava-dehibe ny fanasana tanana sy ny fomba fanaovana azy. […]

Sivana teny tsimbazaza : velon’ahiahy ny Holafitry ny mpanao gazety

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM), manoloana ny tranga niseho teny Tsimbazaza, omaly. Ahin’izy ireo ho tsy voahaja ny zo fototra eo amin’ny fahahalahan’ny asa fanaovan-gazety. Nambaran’ny OJM fa ahina ny tsy fanajana ny zo fototra ho an’ny olom-pirenena amin’ny hahazoana vaovao. Nisehoana fanakanana ny ampahany […]

Fiatrehana ny fifidianana : mametraka ny foibeny ny kandidà Ravalomanana Tojo

Efa ao anatin’ny fametrahana paikady hiatrehina ny fifidianana ben’ny Tanàna ny kandidà, Ravalomanana Tojo. Anisan’ny efa nametrahana izany sy nanombohana ny fanakaikezana ny vahoaka ny eny Ambohimanarina. Nialoha izany, nitsodrano ny zanany, Ravalomanana Tojo, sady naraham-bavaka teny Faravohitra, ny sabotsy teo, ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana. Namba-rany tamin’izany fa tsy […]

Fanavotana ny firenena : Ilaina ny fiaraha-manatanteraka

Nanatanteraka fihaonana ireo Malagasy manam-pahaizana maro, mpitondra fivavahana samihafa, fikambanana maro, tetsy amin’ny FJKM Atsimon’i Mahamasina, afakomaly. Nitondran’izy ireo anjara biriky amin’ny famahana ny olana mianjady amin’ny Malagasy iray manontolo. «Ampy izay ny resabe, ampy izay ny fampanantenana, ampy izay ny fanakianana tsy mitondra vokatra. Mila vahaolana azo tanterahina ny […]