Zaza iray tsy nahatsiaro tena ary olona enina naratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga tao Matsaborivato, lalana Ambalavary, kaominina ambanivohitra Ambalakirajy, omaly. Niakatra fiakarana ka nihemotra tampoka io fiara io. Nivadika ka nitera-doza. Vehivavy iray maty voatsindrona antsy tao Toliara Renivohitra, ny alin’ny talata 15 oktobra lasa teo. Nifamaly tamin’ny sakaizany […]
Taratra
Antohomadinika : mpanao vola sandoka notanana am-ponja
Niakatra fampanoavana, omaly, niara-notanana vonjimaika any am-ponja ny mpanao vola sandoka roa lahy tratra tetsy Antaniavo-Antohomadinika, boriboritany voalohany. Mody nividy sigara tamin’ny mpivarotra teny amin’ny fiantsonan’ny fiara fitateram-bahoaka mampitohy an’Antohomadinika sy Mahitsy izy roa lahy, ny talata 15 oktobra teo. Nanolotra vola 20 000 Ar ho an’ny mpivarotra ireto farany ka […]
Nanakorontana sekoly : efa-dahy nifanjehana anaty ala kakao
Efatra lahy samy tsy mianatra intsony nitora-bato ny mpianatra tao amin’ny Lisea Tsiaraso, fokontany Ambatomenavava, kaominina Ambanja , omaly maraina. Nandritra ny fotoam-pianaran’ny mpianatra, nitondra vato avokoa ireo andian-tovolahy ireo. Nitora-bato ny mpianatra. Nisavorovoro vokatr’io ireo mpianatra rehetra teo anivon’ny lisea, araka ny fanazavana voaray avy any an-toerana. Nandositra avokoa […]
Tsy fantatra izay tsy nifanarahana : jiolahy nifamono, voatsindron’antsy i Dàna
Hafa kely indray ! Nisy zavatra tsy nifanarahana teo amin’ireto jiolahy nifamono tao Antsarakofafa Toamasina, ny talata alina teo. Notsatotsatohan’ireo namany tamin’ny antsy ny jiolahy iray… Jiolahy samy jiolahy indray no nifamono tamin’ny fomba feno habibiana. Jiolahy iray 28 taona fantatra amin’ny anaram-bositra i Dàna. Maty vokatry ny tsatok’antsy nataon’ireo namany […]
Tontolon’ny fitsarana : tsy handefitra amin’ireo manao kolikoly ny minisitera
Anisan’ny nivoitra tamin’ny fananganan-tsaina, teny amin’ny fonjaben’ Antanimora, ny alatsinainy 14 oktobra teo, ny toromarika sy hafatrafatry ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fitsarana, Belalahy Hanitriniaina. Nambarany fa naharay fitarainana ny eo anivon’ny minisitera ka hodinihina ny fahamarinany. “Handraisana fepetra izy ireny ka tsy hasiana famindram-po amin’ireo tratra manao izany. Efa maromaro […]




