Niady tamin’ny fahafatesana nandritra ny tapa-bolana, namoy ny ainy, ny lehilahy iray voatoroka ho nangalatra tao amin’ny mpampiasa azy, tetsy Alakamisy-Anosiala. Nitory ny fianakaviany. Tovolahy 29 taona namoy ny ainy ny alatsinainy 14 oktobra teo, vokatry ny daroka biriky sy bois-rond nahazo azy, tao amin’ny fokontany Tsarahonenana, kaominina Anosiala, distrikan’Ambohidratrimo. […]
Taratra
« Opération Coup d’arrêt » : dahalo dimy maty voatifitry ny mpitandro filaminana
Mitohy ny hetsika “Opération Coup d’arrêt”, fampandriana fahalemana ataon’ny mpitandro filaminana any amin’ny faritra Atsimo. Dahalo dimy no maty voatifitra, ankoatra ireo omby arivo tratra… Minisitra efatra avy amin’ny governemanta notarihin’ny minisitry ny Foloalindahy, ahitana ny MSP, MDG, minisitry ny Atitany, no nigadona any Atsimon’ny Nosy, omaly, mitady ny paikady […]
MMA-WFA Championship : nandresy an’i Mohamed i Tojo Heriniriana
Mitohy hatrany ny fahombiazana ho an’ny Malagasy mpikatroka amin’ny taranja MMA (Martial Mixed Arts)/ i Tojo Heriniriana. Miatrika fifaninanana matihanina any Shanghai Chine, izy, nanomboka tamin’iny volana septambra iny, izay nisafidy manokana ny hifantoka amin’ny taranja MMA. Nahazo fandresena indray izy, omaly, tao anatin’ny fifaninanana “Main évent”, izay tafiditra anatin’ny […]
SOMBIM-BAOVAO
Nihintsana teo amin’ny dingana ampahefa-dalana ny ekipa malagasy, taranja ping-pong, nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika. Fifaninanana natao tany Addis-Abeba Ethiopie, ny faran’ny herinandro teo. Resin’i Nigeria ny Malagasy. Samy resy tamin’ny seta 3 no ho 0 avokoa Andriantahina Tina sy Raharimanana Hanitra ary Jaoferson Fara. Laharana faha-6 tamin’ireo […]
Fanamoriana fiarakodia : tompondaka i Faniry sy i Mahents
Norombahin-dRasoamaromaka Faniry sy Randriambololona Mahenintsoa (Mahents), mpanamorin’ny klioba TFM sy Asacm, mitondra ny fiara Peugeot 208 T16, ny andiany faha-45 amin’ny “Grand Rallye international de Madagascar”. Dingana fahefatra amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara notanterahina teto Antananarivo sy ny manodinana, ny 11 ka hatramin’ny 13 oktobra lasa teo, nokarakarain’ny ASA […]




