Taratra

Marais Masay: esorina ireo tsikafona manentsina ny vavarano

Ao anatin’ny fiatrehana ny taom-pahavaratra, hanadio ny eny amin’ny Bassin tampon sud Marais Masay ny ao amin’ny CUA. Hodiovina ny toerana mirefy 5ha. Tsentsin’ny tsikafona ireo vavarano andehanan’ny rano avy any Andravo­ahangy, Besarety ary Maha­voky. Miteraka fiakaran’ny rano izany, indrindra rehefa avy ny orana. Tonga teny an-toerana ny PDS, Alexandre […]

Hiditra an-tanety anio alina, ilay rivodoza mahery Dikeledi

Mizotra manatona an’i Madagasikara ilay rivodoza mahery Dikeledi. Any amin’ny faritra avaratra no tena hiantefany ka mila miomana amin’izany ny mponina. Mihatra ny filazana loza manambana. Miha manatona tsikelikely ny morontsiraka avaratr’i Mada­ga­sikara ilay rivodoza Dikeledi. Tombanana hiditra an-tanety any amin’ny tapany avaratra atsinanan’ny Nosy, eo anelanelan’i Antsiranana sy Sambava […]

Indray mijery

Nanome tohana ara-bola hoentina mikarakara ny atrikasa ho fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ambony, hotanterahina ny 23 sy 24 janoary ho avy izao, ny Direct Aid. Manamarika ny fitohizan’ny fiaraha-miasa sy ho fanatsarana ny tontolon’ny fampianarana ambony eto Madagasikara izany. Mitohy hatrany ny fitsinjarana ireo fanampiana nanoloana ny voina haintrano tao […]

Tily – Mandritra ny firotsahana an-tsitrapo: mila mampahafantatra ny tomponandraikitra

Mpilatsaka an-tsitrapo mavitrika manampy eny anivon’ny fiarahamonina rehefa misy tranga mila vonjy voina na anaovana tanamaro ny skoto. Ahitana azy ireo ny fanampiana rehefa misy traboina vokatry ny rivodoza amin’izao fotoan’ny fahavaratra izao. Maro amin’ireo Tily no mpirotsaka an-tsitrapo amin’ny fanampiana rehefa tonga ireny loza ireny. Antom-pisian’izy ireo rahateo izany. […]

Noho ny hamafin’ ny fiainana: ny ankizy indray no lasa miantoka ny famelomana ny ankohonana

Lasa ianteheran’ny ray aman-dreny mihitsy ny ankizy amin’ny famelomana amin’izao fotoana. Ampirisihina amin’ny fomba rehetra hitady vola, indrindra ireo fianakaviana tena latsaka an-katerena. Ny ankizy no misy mpitsetra ka mora mahazo vola eny an-dalambe. Efa mivadika ny zava-misy eny anivon’ny fiarahamonina, amin’izao fotoana, vokatry ny fahasahiranana lalina ka lasa mampanaonao […]