Taratra

Vonoan’olona feno habibiana : mpiandry osy hita faty voatapa-doha

Voasambotry ny mpitandro filaminana ny telo lahy nanapa-doha tovolahy iray tao Amboasary Atsimo, afakomaly. Tovolahy iray 19 taona, mpiandry osy iray maty novonoin’ny jiolahy tamin’ny fomba feno habibina tao amin’ny kaominina Ifotaka, distrikan’Amboasary Atsimo, afakomaly. Mpamboly sy mpiompy ity niharam-boina ity ka teo am-piandrasana osy no nisy nikapa tamin’ny zava-maranitra ny lohany. […]

Taom-piotazana letisia : hisokatra ny 21 novambra izao

Hanomboka amin’ny herinandro 21 novambra amin’ny telo ora tolakandro ny taom-piotazana letisia, ao amin’ny faritra Atsinanana sy Analan­jirofo. Fanapahan-kevitra no­rai­sina taorian’ny fivoriana faharoa nataon’ireo mpandraharaha letisia (GEL) sy ny solontenam-panjakana ary ireo tomponandraikitra samihafa voakasika rehetra, omaly, tao Toama­si­na, araka ny fanazavan’ny governoran’ny faritra Atsinana­na. Hiso­katra ny zoma izao kosa ny “guichet unique” […]

VAOVAO TAMBATRA

Hiverina hisokatra ny volana desambra izao ny fitaterana an-dalamby mpitatitra entana mampitohy an’i Toamasina sy Antsirabe rehefa niato nandritra ny fito taona. Hahazo tombony manokana ny fitaterana solika, ireo orinasa mpanao lamba, ozinina mpanodina sakafo. Ao anatin’izay koa ireo mpanao simenitra ary ny ozinina maro samihafa. Karatany 1 500 sy […]

Ambatoboeny : ho vita tsy ho ela ny baka

Vita ny faran’ny herinandro teo, ny ampahany voalohany amin’ny asa fanarenana sady fanamboarana ny baka, ao amin’ ny «radier» Ambatoboeny. Eo amin’ny halavirana PK 20 amin’ny lalam-pirenena RN33B no misy azy. Manatanteraka ny asa ny Fitantanana tohana amin’ny asa vonjy taitra (DAU) ao amin’ny minisiteran’ny Asa vaventy. Asa natao ny […]

Itremo Ambatofinandrahana : voahaja ny fitaovana ampiasain’ ny mpitrandraka madinika

Paikady napetraky ny fanjakana ny hidiran’ny mpitrandraka madinika amin’ny ara-dalàna. Napetraka ny fari-pitrandrahana manokana hanatanterahana izany. Manome tantsoroka ny mpitrandraka madi­nika ny harena an- kibon’ny tany ny fanjakana. Nidina ifotony tany amin’ny kariera any Itremo, distrika Ambatofinandrahana ny delegasiona tarihin’ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany, Rakotomalala Herindrainy Olivier, ny 13 novambra teo. Nojerena ny fitaovana ampiasain’ny mpitrandraka […]