Ho tapaka ny fifamoivozana amin’ny lalam-pirenena faha-2. Voakasik’izany ny eo amin’ny PK 61 hatramin’ny PK63, anio zoma, ny talata 14, ny zoma 17, ny talata 21 ary ny zoma 24 janoary. Antony, noho ny fanapoahana vato ilaina amin’ny fanamboaran-dalana. Tsy misy ny fivilian-dalana, mandritra ireo fotoana ireo. Tsy ampy 100 000 […]
Taratra
Famokarana: tokantrano 6 650 nisitraka masomboly
Mitotaly 6 650 ireo tokantrano nisitraka tapakila elektronika mitentina 40 dolara ahazoana masomboly ho an’ny taom-pijinjana manaraka. Hetsika natao nandritra ny Tsenaben’ny masomboly tao amin’ny faritra Androy sy Anosy ary Atsimo andrefana, nokarakarain’ny FAO, ny volana novambra teo mba hisitrahan’ireo tokantrano sahirana masomboly voafantina sy ara-kalitao. Tafiditra ao anatin’ny fanavaozana natao […]
Fampiroboroboana ny harinkarena faobe: vinavinaina hiakatra 5% amin’ity taona 2025 ity
Manomboka miarina ny harinkarena malagasy amin’izao fotoana. Vinavinaina hiakatra 5% izany ho an’ny taona 2025 raha toa ka 4,4% tamin’ny taona 2024. Anisan’ny firenena nanana tahana harinkarena faobe ambony i Madagasikara tamin’ny taon-dasa raha ampitahana amin’ny salanisan’ny Afrika Subsaharienne, izay 3,6%. Ho anisan’ireo sehatra handray anjara amin’ny fampiroboroboana ny harinkarena […]
Ezaka manokana: tokantano 5 800 000 hisitraka karinem-pokontany misy QR Code
Ilaina amin’ny fisitrahana jiro ao anatin’ny tetikasa « Hazavana ho anao » ny fananana karinem-pokontany misy QR Code. Ho voazara mialoha ny 26 jona 2025 ny karine. Hanamora amin’ny lafiny sosialy ankapoben’ny mponina ny fampiasana ny karinem-pokontany misy Code QR, toy ny fifindra-monina, ny fakana fanamarinam-ponenana, ny tohana ara-tsosialy samihafa. Anisan’ izany […]
Fantina sy fintina
Hatao any Nosy Be, ny avrily izao, ny fivorian’ ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI), araka ny nambaran’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rafaravavitafika Rasata, afakomaly, teny Iavoloha. Hotanterahina eto amintsika, ny volana aogositra kosa, ny fihaonana an-tampon’ireo filoham-panjakana eo anivon’ny Sadc. Nitory ny “24h Mada” teny amin’ny sampana heloka ana habaka, teny […]