Namoy ny ainy noho ny fisotroana toaka diso tafahoatra niaraka tamin’ny vadiny ny renim-pianakaviana iray, omaly. Maty voadakan’ny vehivavy iray, saika hitoriany fitiavana kosa ny lehilahy iray afakomaly. Trangam-piarahamonina niseho tao Toamasina ireo. Namoy ny ainy rehefa nodakan’ny vehivavy iray teo amin’ny faritra saropady ambanin’ny kibony, ny lehilahy iray tao […]
Taratra
“Ligue des champions” : Hanala vela amin’ny PSG ny Liverpool
Anisan’ny lalao andrasan’ ny mpankafy baolina kitra maneran-tany, anio, ny ampahefa-dalana mandroso hiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Ligue des champions”. Fihaonana hikatrohan’ny PSG sy ny Liverpool. Handray ny lalao ry zareo parizianina, ao amin’ny Kianja Parc des Princes. Vao tamin’ ny taon-dasa no nikatroka ireto ekipa ireto, teo amin’ny ampahavalon-dalana […]
SOMBIM-BAOVAO
Nihaona tao amin’ny masoivohon’i Madagasikara tao Paris-France, omaly, Andriantsima Faneva Ima, kapitenin’ny Barea teo aloha sy ny minisitry ny Fanatanjahantena malagasy, Rasambany Alain. Nifanakalozana hevitra ny amin’ny fomba hanatsarana ny kianjaben’i Mahamasina, hahazoana fankatoavana ka handraisana ireo lalao hataon’ny barea ny volana septambra, oktobra ary novambra 2026. Hitohy ny faran’ity […]
Handball – Mada Jeunes : Misongadina ny HC Est
Nitohy omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakam-pirenena, taranja handball, sokajy zandriny, lahy sy vavy. Misongadina eo amin’ny vokatra azony ny ekipan’ny HC Est Atsimo Andrefana, sokajy junior, lehilahy. Fandresena telo misesy no azon’izy ireo ao amin’ny vondrona «B». Nandresy ny HTHB, tamin’ny isa 27 no […]
Judo-Mada 2026: Voatazon’ny Esca ny voalohany
Folo taona mahery izay, tsy mbola nisy naharombaka teo am-pelatanan’ny klioban’ny Esca ny anaram-boninahitra laharana voalohany. Azon’izy ireo indray izany nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, natao teny amin’ny Kianja mitafon’ Ankorondrano, ny herinandro lasa teo. Vao tamin’ny andro voalohany dia efa nisongadina ny mpikatroka avy amin’ny Esca. Nanamarika ny […]




