Taratra

Aoka tsy ifanakora!

  Samy milaza ho mpandresy ny mpifanandrina politika taorian’ny androm-pifidianana. Ny andaniny, efa iaraha-mahita ny findangan’ny voka-pifidianana. Tafakatra 70 % amin’ny vato manan-kery no azon’ny kandidà laharana fahatelo, Rajoelina Andry. Efa manome ny endrim-pandresana ho azy amin’ny fihodinana voalohany izany. Izy rahateo efa matoky tena nandritra ny fitetezam-paritra nataony. Natoky […]

Jeneraly Ravalomanana Richard : “Tsy ekena intsony ny fanakorontanana fiainam-bahoaka”

Dingana hafa izao… Nambaran’ny filoham-panjakana mpisolo toerana, ny Jly Ravalomanana Richard fa handray andraikitra ny fanjakana manoloana ny mety hisian’ny fanakorontanana. “Tsy azo ekena intsony ny fanakorontanana fiainam-bahoaka. Aleo hiaina ny fiainana andavanandro ny vahoaka”, hoy ny filoham-panjakana mpisolo toerana, Jly Ravalomanana Richard, tamin’ny mpanao gazety teny Ambohitsorohitra, omaly, ny […]

Antsakaviro : lehilahy tratra nangalatra tao anaty fiarana Jeneraly

Efa tsy mifidy hangalarina intsony! Voasambotra ny mpangalatra telefaonina nifahana tao anaty fiarana manamboninahitra iray teny Antsakaviro, omaly. Noraisim-potsiny teo am-pisokirana finday tao anaty fiara an’ny ma­nam­boninahitra iray ny mpandroba iray tetsy Antsakaviro, Boriborintany fahatelo, omaly. Nipetraka amoron-dalana ny fiara ka tsikaritry ny polisy ny fisian’io lehilahy io tao anatin’ […]

TSELATRA

Naratra mafy novelesim-badiny tavoahangy ny renim-pianakaviana iray teny Andavamamba Anjezika I, omaly tolakandro. Resaka fifidianana no nitarika ny adin’ireto mpivady ireto. Samy nanana ny kandidà notohanany izy ireo, ka tsy zakan’ilay raim-pianakaviana ny nisafidianam-badiny ny kandidà iray. Nampiakatra ny hatezerany izany ka raikitra ny fifamaliana. Niafara ta­min’ny vono sy ratra […]