Taratra

Fifidianana ben’ny Tanàna : hanohana an-dRazafinjoelina Tahina ny MMM

Nivoaka amin’ny fahanginany. Nanao fanambarana ny eo anivon’ny birao politikan’ny antoko Malagasy miara-miainga (MMM), omaly, tetsy amin’ ny foiben’ny antoko, Anke­ra­na. Nambaran’izy ireo tamin’ izany fa hanohana ny kandidà ben’ny Tanàna eto Anta­na­na­rivo Renivohitra, Razafin­jo­e­lina Tahina, avy amin’ny Tia tanindrazana, izy ireo. Nitondra ny teny tamin’izany ny filoha nasionalin’ny an­toko, […]

Mialà amin’ny mahazatra!

  Mila tonga saina Ra-Malagasy! Fa tsy ho vitavita mora ity olan’ny sosialy ity.  Tena difotry ny fahantrana ny mponina. Tsy misy intsony ny kilasy antonony izay tokony ho mpampihodina ny ankamaroan’ny seha-pihariana. Andaniny ny mpanefoefo, mpanontany ny ory. Ankilany ny fadiranovana resin’ny fiainana. Tsy misy afaka ny hilaza ny […]

PDS Ramanantsoa Harilala: tsy hitantana an’Antananarivo intsony manomboka anio

Afapo tamin’ny ezaka vitany tao anatin’ny iray volana ny filohan’ny delegasiona manokan’Antananarivo Renivohitra, Ramanantsoa Harilala. Nitatitra ny zava-bitany tao anatin’ny iray volana nitantanany an’Anta­nanarivo Renivohitra ny PDS Ramanantsoa Harilala, omaly, tetsy Analakely. Nambarany fa fohy ny fotoana nefa nanao ny ezaka rehetra ny tenany. Notanisainy tamin’izany ny vahaolana narosony nandaminana […]

Namono vady: lehilahy sarona tanaty fampisehoana

Nampihoron-koditra! Izay no azo ilazana ny fihetsika feno habibiana nataon’ny raim-pianakaviana iray tamim-badiny tao amin’ny fokontany Lanonana, kaominina ambanivohitr’i Fanasana, ny 5 oktobra 2024 teo. Rovitra ny tarehiny, nipoitra hatramin’ny taolan-tongony mihitsy. Disadisa niainga avy amin’ny adina mpivady no niantombohan’ny olana ka niafara tamin’izao vono sy ratra niniana natao izao. […]