Eny amin’ny Ivokolo Analakely indray ny ambohi-pihaonan’ny mpankafy Jazz, anio, ao anatin’ny «Festival Madajazzcar» andiany faha-35. Sanda Ranaivosoa Quartet no hanafana ny sehatra mandritra ity hetsika ity. Izy izay anisan’ireo nivoaka tamin’ny fampiofanana Madajazzcar. Nahavita ny fifaninanana hamaritana ny solotenany, hiatrika ny “Slam National XV” (SN XV), atao eto Antananarivo […]
Taratra
Lohataona : nampiray ny faritra rehetra
Nampiray sy nampiombona ny vahoaka malagasy rehetra manerana ny faritra 23 teto amin’ny Nosy ny fankalazana ny lohataona: taom-baovaon’i Madagasikara teto Antananarivo. Namoriana olona 1 274 ny lanonana ofisialin’ny fankalazana. Mbola nihoatra izay ny olona tonga tetsy amin’ ny tranombokim-pirenena, izay nanaovana hetsika fampirantiana ireo haren-tsaina isam-paritra, ny sabotsy teo. […]
Hisy seho telo andro : hivoaka amin’ny Moozik avokoa ny rakikiran’i Rossy
Hamaly ny fangatahan’ny mpankafy mozika. Azo jifaina ao amin’ny Moozik avokoa ny rakikiran’i Rossy rehetra, hatramin’ireo telo nivoaka farany. Ho avy koa ny andiam-pampisehoana. “Hatomboka izao ny fiaraha-miasa eo amin’i Rossy sy ny Moozik. Rehefa mety ho rakikira navoakan’i Rossy dia azon’ireo mpankafy jifaina ao manomboka izao”. Io ny fanambarana […]
Sehatry ny fananan-tany : saika fandovana avokoa ny 70% ny fahazoan’ny Malagasy tany
Malalaka sy midadasika i Madagasikara raha ny velarantany eto an-toerana. Amin’ny ankapobeny, azo avy amin’ny fandovana avokoa ny fomba iray ahazoan’ny Malagasy tany. Azo avy amin’ny fandovana avokoa ny 70% ny tany ananan’ny vahoaka malagasy, raha ny antontanisa voaray teo anivon’ny Sif. Nambarany fa mila jerena ny fomba hahazoan’ny Malagasy […]
FANTINA sy FINTINA
Nanazava tamin’ny mpanao gazety ny momba ny resabe tato ho ato ireo mpitarika ny vovonana Firaisankina, teny Faravohitra, omaly. Nambaran’izy ireo tamin’izany fa ny Firaisankina no tena mpanohitra eto aminy firenena. “Tsy vaky ny vovonana fa iray ihany”, hoy izy ireo, tamin’izany. Teo avokoa ireo mpitarika 5 mirahalahy mianaka. Kivy […]




