Tsy mety fay! Tanora 22 mianadahy indray tratra nanao fandikan-dalàna nandritra ny lanonana famaranana ny “kopi-kole” teny Antsonjombe, afakomaly. Ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahavalo (CSP8) no nahasambotra azy ireo. Nisy ireo tao anatin’ny kianja no voasambotra, tao kosa ireo teny ivelany, araka ny tatitra nampitain’ny teo anivon’ny […]
Taratra
Variana nitelefaonina : lehilahy maty, voahosin’ny kamiao
Voalaza fa sady variana nitelefaonina no niampita arabe tampoka ny lehilahy iray ka voafaokan’ny kamiao. Maty tsy tra-drano, niparitaka tamin’ny arabe ny atidohany Potika voahitsaky ny kodiarana ny lohan’ny lehilahy iray tao Manankasikely, kaominina Manjakandriana, ny alahady 6 oktobra tolakandro teo. Niampita tampoka io lehilahy io ka tsy nahita ny […]
Firotsahan-kofidina ben’ny Tanàna : Samy mpampangolahy anaty katsaka ireo mpifaninana
Eo ny olom-baovao, eo ihany koa ireo efa goaika antitra amin’ny fanaovana politika, ka hifaninana eo amin’ny toerana izay ho ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna. Ho an’ i Toamasina Renivohitra manokana, miisa efatra ny kandidà, ny mpitsara Andriafanomezantsoa lovaheritiana Alain, izay zandrin’ny ben’ny Tanàna am-perinasa ihany no natolotry ny vondrona […]
Betongolo : mitohy ny fotoam-pitsarana miaramila
Nitondra fanazavana ny talen’ny fanompoam-pirenena sy ny fitantanana ny fiandry eo anivon’ny minisiteran’ny Foloalindahy (DSNGR) sady mampahafantatra ny rehetra fa mbola mitohy ho an’ny eto Antananarivo Renivohitra ny fitsarana miaramila. Eny amin’ny Kianjan’ny miaramila eny Betongolo ny fotoam-pitsarana ho miaramila taona 2024, manomboka anio 07 oktobra ka hatramin’ny alahady 13 […]
Kaominina Ambato : hampandrosoina ny tontolo ambanivohitra
Kaominina ambanivohitra nisedra olana sy tsy nahitana fampandrosoana tao anatin’ny taona maro ny ao Ambato, disitrikan’Ambohidratrimo. “Taraiky amin’ny lafiny maro io kaominina io raha oharina amin’ny hafa any an-toerana”, hoy Rakotondravao Sarobidy. Vinany ny hampandroso ny tantsaha sy ny tontolo ambanivohitra ka antony nandrisika azy hirotsaka ho fidina ben’ny Tanàna. […]




