Hiditra amin’ny manasa-dalana rahampitso sabotsy ny fiadiana ny tompondaka nasionaly “Elites 8” N1A, taranja basikety. Efa fantatra avokoa ireo ekipa 4 mendrika, sokajy lahy sy vavy, taorian’ny andro faha-7, omaly. Laharana voalohany ao amin’ny sokajy vehivavy, ny MB2ALL Analamanga, rehefa nandresy ny Ascut Atsinanana, tamin’ny isa 63 no ho 59. […]
Taratra
Karate – Maneran-tany: Andrianavalona Tsiky no hisolo tena ny Malagasy
Solontena malagasy tokana hiatrika ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, taranja karate, hatao any Venice Italie, Andrianavalona Tsiky Mialy Fanomezantsoa. Hatao ny 9 hatramin’ny 13 oktobra izao, any Venice Italie, ny andiany faha-13 amin’ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, taranja Karate. Sokajy Cadets, Juniors, U21, eo amin’ny Kata sy Kumite no hifaninanana […]
Fahantrana : miditra eo amin’ny sehatry ny asa ny 47% ny ankizy
Tsy mitsahatra mitombo ireo ankizy tsy ampy taona miditra eo amin’ny sehatry ny asa. Anisan’ny manery azy ireo amin’izany ny fahantrana sy ny fahasahiranana mianjady eo anivon’ny ankohonana misy azy. 160 tapitrisa na iray amin’ny 10 ireo ankizy tsy ampy taona miasa manerana izao tontolo izao, raha ny antontanisa navoakan’ny […]
FANTINA sy FINTINA
Nampahafantatra ny fomba fiasa vaovao ny filoha Rajoelina Andry tamin’ny filankevitry ny ministra teny Iavoloha, afakomaly. Nambarany fa tokony hiaraka mandroso miaraka ireo tetikasa laharam-pahamehana. “Tsy maintsy ifarimbonan’ny governemanta iray manontolo izany ary hohafainganina. Hitondra fiovana eto amin’ny firenena izany”, hoy izy. Nangata-panazavana teny amin’ny Ceni ny filoha nasionalin’ny Tim, […]
Paikadim-pirenena : hatao isan-taona ny tomban’ezaky ny ady amin’ny kolikoly
“Hanomboka amin’ny 2025: hisy ny paikady iadiana amin’ny kolikoly, fa hisy koa ny drafitra fanatanterahana. Hisy fijerena manokana isan-taona ny hoe: inona no vita, inona no tratra, inona no mbola tsy vita? Hisy tatitra amin’ny vahoaka izay nifanarahana sy izay tena vita nandritra ny taona”, hoy ny filohan’ny Komity mitandro […]




