Nitrangana haintrano tao Ampasina Maningory, omaly tolakandro. Trano miisa fito kilan’ny afo. Trano telo no niandohan’ny firehetana. Nifanome tanana namonjy ny manodidina ary namono io afo io ny mponina ao an-toerana. Niredareda anefa ny afo. Nihitatra tamin’ny trano manodidina. Nanangona rano tamin’ny zerikanina, samy nanao izay ho afany nifehezana ny […]
Taratra
Very ny vola 200 000 Ar: Roa lahy voambana sabatra tanaty fiara
Mpitondra fiara voadidina fito lahy. Niditra an-keriny tao anaty fiara ny lehilahy iray ary nanambana sabatra. Nandratra ary nandroba ny vola ireo olon-dratsy, tetsy Andohatapenaka. Norobain’ny jiolahy tao anaty fiara ny lehilahy iray teny Andohatapenaka, ny alin’ny alarobia teo, tamin’ny 10 ora sy sasany alina. Namonjy fodiana toy ny mahazatra […]
Ankazobe : nahazo tohodrano Ambolotarakely
Mitodika mankany amin’ ny fanatsarana ny famokarana ny kaominina Ambolotarakely, distrika Ankazobe. Notokanana ny 2 oktobra teo ny tohodrano nohavaozina, nataon’ny Fandaranasan’ny Firenena mikambana ho an’ny fampandrosoana (Pnud). Mahatondraka tanimbary 300 ha ity fotodrafitrasa ity, raha 30 ha teo aloha. Nilaza ny filohan’ny mpampiasa rano, ao amin’ny tambajotra Tsara, Randrianantenaina […]
Baolina kitra afrikanina : nosazian’ny Fifa enim-bolana i Samuel Eto’o Fils
Ny alatsinainy lasa teo, namoaka ny sazy ho an’i Samuel Eto’o Fils, filohan’ny federasiona baolina kitra Cameroun (Fecafoot), tao amin’ny tambanjotra serasera ny vaomieran’ny fitsipi-pifehezana eo anivon’ny federasiona iraisam-pirenena (Fifa). Nosaziana enim-bolana tsy mahazo mijery sy manatrika ny lalao hataon’ny ekipam-pireneny ny Liona tsy voafolak’i Cameroun, ny tenany. Anton’izany ny […]
SOMBIM-BAOVAO
Hotanterahina ny alahady 6 oktobra ho avy izao, etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny ankatoky ny famaranana, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara taranja Rugby, sokajy vehivavy. Hifanandrina amin’izany ny UAS Cheminots sy ny Fanja Anjanahary. Tontosa ny talata lasa teo, tamin’ireo kianja enina manerana ny Nosy, ny andro voalohany hiadiana […]




