Anisan’ny nanotrona ny fampahafantarana ny vovonana UPAR, teny amin’ny CCI Ivato, ny lehiben’ny faritra Atsinanana, tamin’ny andron’ny Tetezamita, Mahavimbina Alain. Anisan’ireo tsy nivadika tamin’ny filoha Rajoelina Andry rahateo izy taorian’ny nanesorana azy tamin’ny toerany. « 11 taona aho tsy nitazona toerana tamin’ny fitondram-panjakana. Niezaka ny tsy hivadika tamin’ny foto-kevitra politika aho. […]
Taratra
“Union pro Andry Rajoelina – Upar” : hampandany ny kandidà n°3
Nampahafantarina teny amin’ny CCI Ivato, omaly, ny fijoroan’ny Vondron’ireo mpanohana an’i Andry Rajoelina “Union pro Andry Rajoelina – Upar”. Naneho fahavononana sy resy lahatra ny hampandany ny kandidà laharana fahatelo izy ireo amin’ny fifidianana. Nivoitra tamin’ireo lahateny nifandimbiasana ny hanohizana ny ezaka efa vita sy ny hanitsiana ny lesoka ary […]
FANTINA sy FINTINA
Miantso ny vahoaka ho tony lalandava ny AKFM, araka ny fanambarany. Tsy hanaiky ho voasariky ny fihantsiana ny vahoaka. Matoky ny antoko fa vahoaka mandray andraikitra ny Malagasy, mahatsapa izay fantany fa tokony hitantana ny firenena. Manentana koa ny olompirenena tsirairay hanefa ny adidiny ka ho tonga hifidy amin’ny 9 […]
Minisitra Ramaholimasy Pierre Holder: “Aleo ny vahoaka hiteny amin’ny fifidianana”
“Aleo ny vahoaka no hiteny amin’ny alalan’ny fifidianana amin’izay ho filohan’ny Repoblika”, hoy ny minisitry ny Fananantany sy ny fanajariana ny tany, Ramaholimasy Pierre Holder, tamin’ny fizarana karatany tany Ambanja, afakomaly, manoloana ny fiatrehana fifidianana. Eo an-tanan’ny vahoaka malagasy ny fahefana. Raha ny firotsahana ho filohan’ny Repoblika, isaky ny dimy […]
Tsy ranon’Ikopa !
Nakotrokotroka ny fametrahana ny vovonana Union des Pro Andry Rajoelina na ny UPAR. Natao ivondronan’ireo mpanohana ny filohan’ny Repoblika teo aloha. Tsy nanavahana sokajin’olona fa nanamafisana ny hery velona rehetra vonona ny hampandany azy indray amin’ny fotoam-pitondrana faharoa. Namerenana am-bala ireo nisintaka. Nanambatambazana ireo nahatsiaro tena ho voahilika. Fotoana […]