Taratra

Fiatrehana fifidianana : nikaton-trano niaraka amin’ny FFKM ireo kandidà 12

Mitohy ny fihaonan’ireo kandidà 12 amin’ireo mpisehatra amin’ny fifidianana. Anisan’ny efa nihaona tamin’izy ireo, ny herinandro teo, ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy. Nambaran’ny loharanom-baovao iray fa anisan’ny efa nihaonan’ireo kandidà, ny herinandro teo, ny arsevekan’Antananarivo, ny Mgr Raolison Jean de Dieu avy amin’ny Ekar sy ny Mgr Ranarivelo Samoela Jaona, avy […]

Ampahibato – Alasora : jiolahy roa lavon’ny zandary, basy roa tratra

Rotiky ny balan’ny zandary avy ao amin’ny sampana fikarohana heloka bevava Fia­danana teny Amboniandre­fana, fokontany Ampahibato, kaominina Alasora, ny alarobia alina teo ireo jiolahy roa. Teo am-piomankomanana hanao fanafihana ireo jiolahy no nifanehatra tamin’ny zandary. Efa nahazo loharanom-baovao mialoha rahateo ny zandary momba ny fisian’ireto jiolahy mikasa hanao fanafi­hana mitam-piadiana […]

Cash point voatafika : polisy sy dokera iray voatifitry ny jiolahy teny Ampasampito

Nirefotra indray ny basin’ireo jiolahy teny Ampasampito omaly maraina tamin’ny 6 ora sy 30 mn. Cash point iray voatafika. Naratra ny dokera iray sy ny polisy iray raha nikasa hamonjy ilay renim-pianakaviana notafihan’ny jiolahy… Jiolahy roa nitondra basy mahery vaika no nanafika tao amina Cash point iray eny Ampasampito, omaly […]

TSELATRA

Tapa-bolana mahery aty aoriana, hita tao An­tsiafabositra ilay mpiasan’ny BNGRC nifampitadiavana teny amin’iny RN4 mihazo an’i Maha­janga. Teny Mahatsinjo no hitan’ny olona ny fiara nentiny. Nilaza izy nandritra ny famotorana nataon’ ny zandary fa hoe nisy naka an-keriny. Nentin’ireo mpaka an-keriny mifindrafindra toerana hatrany izy, raha ny filazany. Misy mampiasa […]

TARANJA Atletisma : mety hihemotra ny “Mada jeunes” sy ny «Marathon»

Taorian’ny fahavitan’ny lalaon’ny Nosy, natao teto Madagasikara, fifaninanam-pirenena eo amin’ny sokajy zandriny “Mada jeunes” sy ny “Marathon” sisa ny fandaharam-potoana tsy tontosa ho an’ny Federasiona malagasin’ny atletisma (FMA), ary mamarana ny taom-pilalaovana 2023. Noho ny fahateren’ny fotoana sy ny ho fisian’ny fifidianana ho filoham-pirenena eto Mada­gasikara, mety tsy hisy izany […]