Taratra

Toamasina : manjaka ny asan-jiolahy mitam-piadiana

Tsy laitra iainana! Izay no ilazana ny zava-misy ao an-drenivohitry ny faritra Atsina­nana manoloana ny firongatry ny tsy fandriampahalemana. Vaky trano, olona voaendaka, fanafihana fiara mpitatitra eny amin’ny lalam-pirenena. San­tionany amin’ny tsy fandriampahalemana mampikaikaika ny mponina ao Toamasina izany. Tao anatin’ny roa andro, sesilany ny fanendahana mpitondra bajaj sy fiara […]

Sambava : mpivady niara-maty

Niara-hitafaty tao an-tranony ny mpivady, tao Antsaha­mivondraka Bekatseko, kaominina Andapabe Bemarivo, distrikan’i Sambava, afakomaly. Tsy nifankahazo izy mivady ireto ka niafara tamin’ny fifamonoana izany. Mipetraka tany an-tsaha somary misitaka ny tanàna no nisy ny tranon’izy mivady. Nahitan’ny nanatri-maso dian’antsy ny haton’ilay lehilahy izay nitsirara teo afovoan-trano niaraka amin’ny vadiny. Niparitaka […]

Mamo am-perinasa : mpamily taxi-be voasambotra

Mamo teo am-pamiliana, nosamborin’ny zandarimaria ny mpamily iray teny Ambohibao, omaly. Nijanona teo afovoan’ ny arabe, nibahana fifamoivoizana io fiara nentin’io lehilahy io. Niezaka nanisaka azy ny mpitandro filaminana. Nanatona ny mpamily ny mpitandro filaminana. Mamo anefa ilay mpamily. Natsahatra tamin’ny asany avy hatrany izy ary nentina, naiditra am-balam-pamonjana tao […]

Olona roa avotra… : dahalo mpaka an-keriny maty voatifitra

Rotiky ny balan’ny mpitandro filaminana nandritra ny fifandonana tao Vohilena, Anjozorobe, afakomaly, ny iray amin’ireo dahalo mpaka an-keriny. Teo am-pikasana haka vola tamin’ny fianakavian’ireo olona nalaina an-keriny ireo malaso no nifanehatra tamin’ny mpitandro filaminana… Maty voatifitry ny mpitandro filaminana tao Ambohibary Vohilena, distrikan’Anjozorobe, afakomaly, ny iray amin’ireo dahalo mpaka an-keriny, […]

Amboniavaratra-Ampanotokana : nohavaozin’ny Tozzi Green ny sekoly EPP

Nisitraka fotodrafitrasa moderina hianaran’ny zanany ny mponina ao amin’ny fokontany Amboniavaratra, kaominina Ampanotokana, distrikan’i Mahitsy. Triatra sady simba nandritra ny taona maromaro, tsy afaka nampiasa ireo efitrano fianarana ireo intsony ny mpianatra tao an-toerana. Na­noloana io, nandray an-tanana ny fanarenena ny sekoly ta­min’ny lafiny rehetra, ny orinasa Tozzi Green. Nohavoazina […]