Nanatanteraka hetsika mahakasika ny fiantohana ny mpianatra manoloana ny loza an-tsekoly ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena tamin’ny alalan’ny Ofisy Nasionaly misahana ny fisorohana ny voina an-tsekoly (Onapascoma) tao amin’ny Dren Atsinanana, ny herinandro lasa teo. Nisy fanofanana ireo talen-tsekoly miisa 50 avy ao amin’ny Cisco Toamasina I sy Toamasina II ary natrehin’ny […]
Taratra
Amboasary Atsimo : hafainganina ny fanodinana ny CRNM
Nidinika ny fomba enti-manodina haingana ny ivontoerana fanarenana ara-tsakafo sy ara-pahasalamana (CRNM) ao Amboasary Atsimo ny tomponandraikitra notarihin’ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie. Natao ho fiahiana ny mpiara-belona manodidina indrindra rehefa fotoan’ny haintany sy ireo karazana loza na tandindon-doza mety hitranga ny fotodrafitrasa. Natao handraisana sy hikarakarana […]
Fitantanana ny fako : hakaton’ny fanjakana Andralanitra
Manomana ny fanakatonana ny toerana fanatobiana fako eny Andralanitra ny fanjakana sy ny kaominina Antananarivo, amin’izao fotoana izao. Hisy tetikasa lehibe hotanterahina eo amin’io toerana io, izay hiarahana amin’ny mpiray ombon’antoka. Efa tratra ny fetra azo handraisana fako eny Andralanitra ka tonga ny fotoana hanakatonana azy tanteraka, hoy ny PDS-n’ny […]
CUA sy ny ONG KFHI: hikarakara ny fahasalaman’ny mpianatra amin’ny boriborintany telo
Niampy ny tetikasa entina hanatsarana ny fahasalaman’ny mponina sy ny fanabeazana ho olom-pirenena eto Antananarivo Renivohitra. Haharitra 10 taona ny tetikasa iarahana amin’ny koreanina tatsimo. Hanampy amin’ny fanatsarana ny fahasalaman’ny kilonga eny amin’ ny EPP anatin’ny boriborintany telo eto an-dRenivohitra ny ONG koreanina Korea food for the hungry international (KFHI). […]
Rakotondravelo Hajatiana Martin : ho kandidà ben’ny Tanànan’ i Talatamaty
Tontosa omaly, teny amin’ ny biraon’ny Ovec Ambohidratrimo, ny fametrahana ny taratasy filatsahan-kofidian-dRakotondravelo Hajatiana Martin. Ao amin’ny kaominina Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo, izy no nirotsaka ho ben’ny Tanàna, ary amin’ny alalan’ny tsy miankina. Ankoatra ny fahareseny lahatra manokana sy ny fahatsapany ny zava-misy iainan’ny kaominina, nanosika azy hirotsaka hofidiana koa ny fangatahan’ireo […]




