Taratra

TARATRY ny KANTO

Fa nankaiza ireo mpilalao teatra? Efa noraisin’ny Malagasy ho anisan’ny kolontsainy ny teatra klasika. Nanana tropy na tarika mpilalao teatra vitsivitsy efa nanana ny mampiavaka azy i Madagasikara, indrindra fa Antananarivo. Tsy tazana eny an-tsehatra intsony izy ireny tao anatin’ny folo taona. Ankoatra ny tsy fisian’ny toerana ilalaovana, somary natory […]

Zava-misy ankehitriny: iharan’ny tery vay manta ny kolontsaina

Antony iray tsy mampivelatra ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy ny tery vay manta mianjady aminy. Zanaka mpanakanto, mihevi-tena ho mpanakanto avy hatrany. « Kolom-body » ambara ho kolontsaina malagasy. Ny ratsy (mitsipaka ny soatoavina) dokafana ho tsara sy fandrosoana… Tery vay manta avokoa ny tahaka ireo. Saika tratra tahaka izany ny […]

«Madajazzcar» andiany faha-35 : hasongadina kokoa ireo vehivavy mpanao jazz

Fotoan-dehibe ho an’ny zavakanto! Hivoaka an’Antananarivo ny «Madajazzcar» amin’ity andiany faha-35 ity. Homena sehatra bebe kokoa ireo vehivavy mpiangaly ny jazz, mandritra ny roa herinandro. Volana oktobra, volana mampamiratra ny zavakanto. Amin’io hatrany no hanatontosana ny «Mada­jazzcar», izay zokiny sy naharitra indrindra amin’ny «festival» misy eto Madagasikara. Raikitra fa ny […]

Fitaterana am-bisikileta : mahavonjy olona amin’ny fahatarana noho ny toham-boivoy

Miha mahazo va­hana ny fitaterana amin’ny alalan’ny taxi-bisikileta eto Antananarivo. Am­ba­ra fa anisan’ny antony mandrisika azy ireo ny tsy fisian’ny asa. Ma­nala ny mety ho fahasahiranan’ny vahoaka manoloana ny fitohanan’ny fiara lavareny eny an-dalana ny fisian’izy ireny amin’ny ankapobeny. Olana eto Antananarivo ny fitohanan’ny fiara lavareny eny an-dalana. Matetika ahitana […]