Roa herinandro taorian’ny fidirana amin’ny taom-pianarana vaovao, 2024-2025, mbola malaina manoratra anarana ny zanany eny amin’ny sekoly tsy miankina ny ray aman-dreny. “Zara raha mahatratra 70% ny tahan’ny fampidirana mpianatra ary misy toeram-pampianarana sasany aza mbola latsak’izany”, hoy ny mpitondra tenin’ny Vovonan’ny sekoly tsy miankina eto Madagasikara, Rakotomalala Célin, omaly. […]
Taratra
SOMBIM-BAOVAO
Hotontosaina ny alahady ho avy izao, etsy amin’ ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny andro fahafito fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby, federaly I, “XXL Top 12”. Anisan’ny fihaonana tena andrasan’ny maro ny fifanandrinan’ny 3FB sy ny TFA Anatihazo. Nilaza ny eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly, fa […]
Tsipy kanetibe : afaka milalao ireo mpila ravinahitra
Handray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tsipy kanetibe lalaovin’olona telo miaraka, izay hatao any Dijon, amin’ity taona ity, i Madagasikara. Ho fiatrehana izany, namoaka fanambarana ny Federasiona malagasin’ny taranja tsipy kanetibe (FSBM), omaly, tao anatin’ny tambajotran-tseraseran’izy ireo. Misy andininy efatra izany ka anisan’ny goavana indrindra ny fahafahan’ireo […]
« D2 Nationale »: mitana ny laharana voalohany ny FC A
Notontosaina omaly, teny amin’ireo kianja roa, Ambohidratrimo sy Elgeco Plus By-pass, ny andro fahefatra, lalao miverina, amin’ny fifaninanam-pirenena « Poule des As » diviziona faharoa nasionaly, « World Cola Ligue des Champions ». Mbola tsara toerana ny ekipan’ny FC Avenir du Sud Anosy. Nahazo isa telo indray izy ireo, omaly, teny Ambohidratrimo, rehefa nandresy ny […]
Beach Soccer – “Can 2024”: tsy ao anaty lisitra ny Barea de Madagascar
Tsy anisan’ireo firenena handray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra lalaovina amin’ny torapasika na beach soccer ny Barea de Madagascar. Valo ireo firenena hiady ho lohany amin’ity. Notontosaina tao amin’ny foibe toeran’ny Kaonfederasiona afrikanin’ny baolina kitra (Caf) tany Egypta, ny alakamisy 19 septambra lasa teo, ny […]




