“Mitaky ny tsy fiandanian’ny governemanta amin’izao zotram-pifidianana izao. Aza hadinoina fa ianareo izao no mitantana vonjimaika ny filoham-panjakana manomana fifidianana”. Io ny fanambaran’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena hoe “Very hasina ny Antenimierandoholona”, afakomaly, manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao. Manamaloka ny zotram-pifidianana izao tranga izao, nefa aoka tsy ho antony velively hanemorana ny […]
Taratra
Mailo sy malina !
Vanim-potoana saropady no lalovan’ny firenena ankehitriny. Ilana fitandremana lehibe hatramin’ny vava havoaka. Mahazo vahana ny fanelezam-baovao tsy marina entina hampisavorovoroana saim-bahoaka. Mila mailo amin’izay zavatra ho henoina. Mila malina amin’izay hinoana. Fadiana ny miantoratoraka amin’izay malama vava. Maro no mahasahy mivarotra am-pitsanganana. Malina ihany koa mahakasika ny tsy fandriampahalemana. […]
Rasoamaromaka Hery : «Fitoniana no ilain’ny vahoaka izao»
Hanao ahoana izao toe-draharaha politika mafanafana izao? Fitoniana no ilain’ny vahoaka, raha ny fijerin’ny sekretera nasionalin’ny antoko TGV sady governoran’ny faritra Analamanga, Rasaomaromaka Hery. “Fitoniana no ilain’ny vahoaka amin’izao. Raha izao no mbola hisy korontana, iza no hahazo tombony amin’izany? Izany no mahatonga ny vahoaka tsy resy lahatra intsony amin’ […]
Nidoboka eny Tsiafahy : lehilahy namono ny sakaizany mitondra vohoka
Natolotra ny fampanoavana afakomaly ka naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy ilay lehilahy nahavanon-doza, nahavita namono ny sakaizany mitondra vohoka. Ny 12 septambra 2023 maraina, nahazo fampandrenesana avy amin’ny sefo fokontany Antanety, kaominina Fenoarivo, ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Ambohijafy momba ny fahitana fatim-behivavy iray tao anaty tanimbary. Nidina teny an-toerana nanao fizahana […]
Tselatra
Dimy lahy mpidoroka zava-mahadomelina voasambotry ny zandary Atsimontsena, kaominina Sabotsy Namehana, omaly. Nokarohina ny lehilahy iray voalaza ho mpivarotra rongony. Niafina tany anaty trano fivoahana anefa izy ka tratra. Nosamborina niaraka taminy ny lehilahy efatra mpidoroka. Telo lahy voasambotry ny mpitandro filaminana tao Betioky Atsimo, omaly. Nikasa hivarotra zaza varira […]