Taratra

Ceni: “Nitombo 1987 ny isan’ny biraom-pifidianana”

“Tsy tokony hisy izany biraom-pifidianana matoatoa izany”, hoy ny filoha lefitry ny Ceni, Andriamalazaray Andoniaina, teny Alarobia, omaly, ny amin’ny resaky ny mpisehatra politika sasany hoe misy biraom-pifidianana tsy mazava amin’izao fifidianana filohan’ny Repoblika izao. Tsy fahefan’ny Ceni ny mamorona na mampitombo ny isan’ny fokontany. Nitombo 1 987 ny isan’ny […]

Fametraham-pialan’ny filoha: nangata-panazavana amin’ny HCC ny PM

Nangatahan’ny Praiminisitra Ntsay Christian fanazavana amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) ny And. 46, andl 2, amin’ny Lalàmpanorenana, afakomaly. Voalaza amin’izany fa ny filohan’ny Repoblika am-perinasa izay mirotsa-kofidina amin’ny fifidianana ho filohan’ny Repoblika dia mametra-pialana amin’ny toerany 60 andro alohan’ny hanatanterahana ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Amin’izay anton-javatra izay, ny […]

Taratry ny kanto

fifaninanana « Prix des jeunes écritures 2023 ». Mpifaninana be mpifidy indrindra, amin’ny fifidianana andraisan’ny daholobe anjara, ao anatin’ny « Prix des jeunes écritures 2023 » i Aryella Aradrariny Andrianatsitoheriteny. Mandritra ny « Semaine mondiale de la francophonie scientifique », ny 31 oktobra hatramin’ny 2 novambra 2023, no hahafantarana ny mpandresy. Fondation H. Ny fanenomana indray […]

Kitra: lasan’ny Sandratra ny amboara

  Tontosa, omaly, teny amin’ny Kianja Santilo Anosizato ny fihaonana baolina kitra teo amin’ny Havàtsa-Upem sy ny Faribolana Sandratra.  Norombahin’ny Faribolana Sandratra avokoa ny fandresena. Sokajy lehilahy, resin-dry zareo tamin’ny isa 2 – 1 ny Havàtsa-Upem, raha 1 sy 0 kosa teo amin’ny sokajy vehivavy. « Tratra ny tanjona. Tsy ny […]

Nirhy-Lanto 100 taona: nifarana omaly ny hetsika fampahafantarana

Tontosa omaly, teny amin’ny efitrano Dox, Tranombokim-pirenena Anosy, ny fampirantiana fampahafantarana ny momba an’i Nirhy Lanto, poeta. Ny avy eo anivon’ny Tranombokim-pirenena, miaraka amin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina no nikarakara ny hetsika,  tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-100 taona nahaterahan’ity andrarezin’ny haisoratra malagasy ity. Ny hetsika fampahafantarana ity mpanoratra […]