Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina, ny fiadiana ny tompondakan’ Analamanga, taranja karate. Mpikatroka 200, avy amin’ny seksiona 8, no tonga nandray anjara nandritra izany, ka niady ny tompondaka. Tafakatra avy hatrany hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, hatao any Toliara, ireo tompondaka isaky ny […]
Taratra
Rugby – «Top 12 Mada»: nisaraka ady sahala ny TFMA sy ny 3FB
Tsy nisy ny mpandresy teo amin’ny TFMA Ankasina sy ny 3FB Fahasalamana, nandritra ny andro fahenina hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara “Top 12 Mada”, taranja rugby. Nisaraka ady sahala ny roa tonta, lalao nampitsanga-mitoetra ireo mpijery. Nitohy tetsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny fifaninanam-pirenena, ho an’ny taranja rugby “Top 12 […]
TARATRY ny KANTO
Efa lany ny faran’ny herinandro teo avokoa ny tapakilan’ilay seho “Mena Masoandro”. Mbola amin’ny zoma 27 septambra izao anefa ity seho iarahana amin’i Olombelo Ricky, ao amin’ny La City Ivandry, ity. Nandefa fialantsiny ho an’ireo tsy nahatratra intsony ry zareo mpikarakara ao amin’ny RDJ. Tsy misy azo atao ho an’izay […]
40 taona nanoratana: mihoatra ny 1 000 ny tononkalon’i Aina Nirina
Tontosa ny sabotsy 21 septambra teo, tao amin’ny Tranompokonolona Analakely, ny fanamarihana ny faha-40 taona nanoratan’i Aina Nirina. Tsangambaton’izany ny namoahana ny boky « Sombin’i Aina 2 ». Nambarany fa : « ny anarana Sombin’i Aina dia midika fa ny aingam-panahin’i Aina Nirina no ao anatiny. Midika ihany koa hoe sombin-tantara. Izany hoe, sombin-tantara […]
Sehatra bagasy : handray «Redombe» ny Havoria
Totoafo ny famerenana! Anisan’ny toerana lehibe handray ny Sehatra Bagasy amin’ity taona 2024 ity ny efitrano malalaky ny Havoria etsy Anosy. Ny sabotsy 16 novambra izao no hotanterahina eny an-toerana ny seho « Redombem-pahatsiarovana ». Mpihira sy mpitendry bagasy maro no handray anjara amin’izany. Anisan’ny hampiavaka ity seho karakarain’ny Sehatra Bagasy ity […]




