Taratra

Mihorohoro i Toamasina : tovolahy iray hita faty notondrahana asidra

Hita faty tao Analamalotra, teo amoron-dranomasina, ny alatsinainy teo, ny vatana mangatsiak’i Zafalie Marie Orlove, 20 taona. Mpianatra lalàna taona faharoa ao amin’ ny Oniversite Barikadimy Toa­masina ity tovolahy niharam-boina ity. Razana efa simba novonoina tamin’ny fomba feno habibiana no hitan’ny olona teo amoron-dranomasina. Notondrahana asidra teo amin’ny lohany ka efa niraraka avokoa ny nofon-dohany […]

TSELATRA

Nirefodrefotra ny basy teny Alakamisy Fenoarivo, omaly hariva. Jiolahy roa maty voatifitry ny zandary, iray tratra, iray tafatsoaka. Nikasa hanao fanafihana tranombarotra ireto jiolahy ireto no nifanehatra tamin’ny zandary. Basy Kalachnikov iray tratra. Nitohy teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny lonilony teo amin’ny ekipam-pirenen’i La Réunion sy Maurice momba ilay penalty […]

Karohina ny rainy : fatin-jaza sembana nasesika tanaty gony

Nampivarahontsana ny nanjo ity zalahikely vao sivy taona, tao Sambava. Novonoina, nasesika tanaty gony ny vatana mangatsiakany, nalatsaka tao an-davadrano. Ahiana ho tompon’antoka ny rainy. Ankizy sivy taona hita faty tao amin’ny fokontany Ambodimanga Angaiky, kaominina Marogaona, distrikan’i Sambava, ny faran’ny herinandro teo. Nariana tao anaty lavadrano izy rehefa nofonosina […]

Volley – Federasiona: voafidy ho filoha Raharimalala Léa

Nahazo vato 8 tamin’ny ireo ligy14 (Analamanga, Boeny, Analanjirofo, Atsinanana, Alaotra Mangoro, Vakinankaratra, Betsiboka, Itasy, Matsiatra Ambony, Atsimo Andrefana, Menabe, Atsimo Atsinanana, Androy, Fitovinany) tonga nifidy omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina, Raharimalala Léa. Araka izany, izy indray no hitantana ny Federasiona malagasin’ny taranja Volley-ball (FMVB). Nahazo vato […]

Lalaon’ny Nosy 2023: nomena 5 tapitrisa Ar ireo nahazo medaly volamena

Taorian’ny lalaon’ny Nosy, izay natao teto amintsika ny 25 aogositra – 3 septambra lasa teo, nanolotra vola ho an’ny atleta ny filoham-pirenena. Araka ny efa nampanantenain’ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry, tetsy Mahamasina, ny volana aogositra lasa teo, nomeny filoha 5 tapitrisa Ar avy ireo Malagasy atleta nahazo medaly volamena. Notanterahina […]